Edito

Ho loza raha tsy mitandrina


  • Zoma 11 Septambra 2020

Tsy hita be ihany izay lalana hizoran’ity firenentsika ity. Toa efa afa-bela amin’ny valanaretina, kanefa mampanahy ny zava-misy hoe: tena efa tafavoaka ny ala tokoa ve?

 

Tsy misy sori-dàlana mazava fa toa miaina amin’ny kianjoanjo eny. Ny mpitondra variana amin’ny fizaran-javatra sy ny kisehoseho politika. Miezaka mafy mametraka tandindona fa mahavita zavatra, toy ny fotodrafitrasa, ary toe efa ao anatin’ny fanodinana ny horonan-tsarin’ny fampielezan-kevitra manaraka. Ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena, toa tsy misy tokontaniny firy. Ny vola Malagasy mitotongana andro aman’alina, ny orinasa tsy misy fanampiana fa fampitrosana, ny adiahy politika miha mahazo vahana,… Mizotra mankaiza marina i Madagasikara? Miandry izay higadonany sy velomina amin’ny sehoseho sy ny kizarazara ve? Haharitra mandra-pahoviana anefa ireny? Isika anefa mbola mpitavandra fanampiana avy any ivelany, ary mitalaho mafy na nolazaina aza tany amin’ny propagandy fa hampindrana an’i Kaomoro. Samy sahirana ny firenen-drehetra, samy hiezaka ny hanarina ny azy, ary tsy hisy fanampiana be azo hantenaina any ivelany izany. Ny fanampiana anefa no nambara fa efa andoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ka inona no hiafarana eto raha ho lany ny paiso an-kady. Ny volan’ny orinasam-panjakana toa efa atao tantely afa-drakotra, ny tahirim-bola vahiny ahiana ho efa kitihina,… Toa mampahatsiahy ny fomba fitantanana tamin’ny tetezamita, ka ahiana ho fongana avokoa izay ho loharanom-bola, ary ho kaonty babangoana no hovantanin’izay mety handimby eo, raha tsy tafaverina eo ny mpitondra ankehitriny. Ho loza ny miandry antsika raha tsy mitandrina. Aiza no hiafaran’ity firenena ity raha izany tokoa no fomba mbola hoenti-mitantana azy?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT