Edito

Ho lasan’ny vahiny ambongadiny


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Raha azon’ireo razambe niady sy nifofotra tamin’ny fitakiana izany fahaleovantena izany angamba no mifoha sy mitsangana any amin’izay misy azy any efa nifoha izy ireo manoloana izao zava-misy izao?

Miharihary ny sarintsarim-pahaleovantena, mihalalina ny endri-panandevozana amin’ny endriny vaovao, ny fanjakazakan’ny vahiny eto amin’ny tanin’ny Malagasy, ny fangoronan-karena miseho amin’ny endriny maro, ny ampihimamba ara-toekarena,… Raha izao no mitohy, ho lasa ambongadiny I Madagasikara afaka 20 na 30 taona. Tsy resaka fankahalana vahiny mihitsy satria tsy afaka hiolonolona eto isika, fa kosa ity fanjazakana, fanararaotana, eny fa hatramin’ny fifofoana aina mivantana sy ankolaka ity kosa tsy azo ekena. Misy fanolanana ankizy miampy vono olona sy halatra taova dia misy vahiny voatonontonona, misy resaka famatsiana fitaovam-piadiana ny dahalo dia misy vahiny voatonontonona saingy iniana hikipiana ny mety ho fahamarinany na tsia, ny resaka fibodoana tany dia misy vahiny voaresaka,… Tsy afaka hanao tahaka ireny anefa izy ireo raha saro-piaro sy tsy mitsikombakomba sy tia kely isika. Malagasy no miasa any amin’ny fananan-tany, Malagasy ny mpitsara, Malagasy no mpitondra,… Misy anefa no mety mivarotra fanahy, hany ka hitsahin’ny olona hatrany an-tampon-doha isika satria mety izy no miantoka ny vola hampandaniana mpanao politika hitondra, izy no mifehy ny toekarena,… Asa mba inona sisa no sehatra mba tena eo am-pelantanantsika? Angovo sy herinaratra feheziny, solika efa azy, tambazotran’ny finday azy, ny resaka entana ilaina andavanandro azy,… Ny mpitondra moa dia saribakoliny? Tena izao ve no tanjona tamin’ny nandrodanana ilay mpitondra tamin’izany nolazaina fa nanao ampihimamba rehefa nijoro sy niady mihitsy teo anatrehan’ny fanjakazakan’ny vahiny teto an-tanintsika ka tsy nanome sehatra ho an’ny mpanao kolikoly ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT