Ho jerem-potsiny tokoa ve?

Heloka ho ahy, hoy ny mpitolona


  • Talata 16 Septambra 2025

politika iray izay, ny mijery fotsiny ny loza manjo ny fireneko.

Niaraha-nahita indray ireny omaly ny afo nidedaka tany Mananjary. May tatsy! May taroa! Ho jerem-potsiny tokoa ve ny toe-draharaha izay efa iarahan’ny maro an’isa miaiky, na mpanohana fitondràna io na mpanohitra na iza na iza, fa mizotra mankany amin’ny sanatria ho faharavàn’ity firenena ity mihitsy? Andro maneran-tany ho an’ny demokrasia moa omaly. Ampy ve ny safidin’ireo nanao fitafy niloko mainty teto Madagasikara ho marika fa miala aina izany ankehitriny eto amin’ity firenena ity? Raha fehezina anatina fijery roa miavaka, ho an’ny olompirenena tsy mpanara-baovao sy tsy mpanara-baovao izany izao ny fiainam-pirenena eto Madagasikara dia toa izao manaraka izao. Ho an’ny tsy mpanara-baovao, ny fiainana hitany eny amin’ny fiarahamonina misy azy avy eny dia efa hahatarafany fa sahiràna lalina io mpifanolo-bodirindrina aminy io. Miakatra hatrany ny vidim-piainana. Tsy mandry fahalemana ny elankelan-trano. Maty antoka rehefa mpanjifan’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy. Na dia hatreo fotsiny aza dia efa hahatarafan’ny maro, tsy mila tatatataina amin’ny haino aman-jery, fa anaty fahasahiranana lalina amin’izao fotoana izao io Madagasikara io. Ho an’ireo mpanara-baovao moa dia vao tamin’ny herinandro indray ny tahirim-bola iraisampirenena no nampahatsiahy fa isan’ireo firenena anaty fahantrana lalina ilay Madagasikara. Entiny hanamarinana izany moa ireo tondro iraisampirenena samihafa toy ny fitombon’ny harin-karena na PIB sy ny tondro momba ny fivoarana maha olona na IDH. Tsy mila mitanisa akory ny kianja Barea lazaina fa manara-penitra nefa tsy mety mahazo fankatoavana lava na ny teleferika tsy mahavita manala tohamboivoy akory. Toy izany koa ny fitanisàna ireo hopitaly lazaina fa manara-penitra nefa mirodana ho azy na koa tranom-panjakàna lazaina ho toy izany nefa rava am-pitoerana eo. Tsy mila tanisaina toy izany akory koa ireny sekoly lazaina fa manara-penitra ireny nefa manara-pofona hoy ny fanamarinan’ireo haino aman-jery vahiny tamin’ireny fotoana ireny. Tsy misy ilàna ny fampahatsiahivàna ireo tranga mamoahenatra maro toy ny Boeing 777 na «Panier garnis» na «écran plat» na volamena nivadika sy tariny rehetra fa ny teboka miisa 2 voalaza teo ihany dia efa ampy sahady haneho fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fitantanana ity firenena ity na koa hoe misy tsy fahaiza-mitantana mibahana be ao ka ho jerem-potsiny tokoa ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT