Edito

Ho hitan’ny havany eo


  • Zoma 20 Aprily 2018

Mandragaranga hery sahady ny HVM, fa vonon-kiady raha mbola minia mirisika hamory vahoaka hanohy ny fampibaribariana ny tetikady malotony amin’ny lalàm-pifidianana ireo depiote mpanohitra.

Toa manaporofo fa tsy kisendrasendra ity fanovana goavana tamin’ny resaka fibaikoana ny mpitandro filaminana ity. Mila hampitomboina sy hamafisina ny hery, fa mafy ny ady hatrehina satria tsy vondrona solombavambahoaka fitopolo mahery anie no tena ho fahavalo eto, fa ireo atahorana mafy ho kandida handavo ny tena amin’ny fifidianana e! Ireo indray manana ny olony tsy tambo isaina, ka sao lahy izao sahady dia efa ho hitan’ny olona ny fika hoe herongerona fotsiny, fa hanao tari-dositra raha tonga tokoa ny tokoa. Toa mandrangaranga hery fa vonon-kiady mantsy, kanefa toa miatsaravelatsihy etsy ankilany hoe: tsy ilaina intsony ny korontana sy ny rà mandriaka. Iza no mikendry izany? Tsy efa filan-kisa ve ny fisakanana ny mpifanandrina tsy handeha amin’izay tiany haleha toy ireny hita eny amin’ny lalàm-pirenena ireny hoe sakanana sy ilam-boatsiary ny olona iray satria kandida filoham-pirenena? Mbola mangina sy tsy tena mamaly bontana aloha ny hafa satria tsy tia korontana sy savorovoro, eny fa na dia lotoina amin’ny hoe mikendry rà mandriaka na mitady ny hisian’ny sabotsy mainty aza. Fomba ny kanosa sy ny matahotra ny manao seho ivelany sy miezaka mampiasa hery, saingy ho hitan’ny havany eo ihany atsy ho atsy hoe: iza no malemy sy manao tsipaky ny miala aina, ary iza no mafy sy nahay nampiasa izay tanjany izay tamin’ny fotoana tena nilana azy!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT