Edito

Ho hita eo izany !


  • Zoma 07 Desambra 2012

Hihazakazaka indray ny raharaham-pirenena ato anatin’ny 2 na 3 andro noho ny fisian’ny fivorian’ny SADC sy ny fifampidinihana eo amin’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Sarin-teny no nanambaran’ity farany omaly fa mety tsy hanatrika io fihaonana any Dar es Salam io ny tenany, satria tampoka be loatra aminy ilay izy.

 Ny filohan’ny tetezamita mantsy dia anisan’ireo olona tsy maintsy mila fiantsoana amin’ny fomba ofisialy vao manatrika fihaonana na fivoriana (?). Tonga tany New York anefa izy tamin’ny 2009 sy 2010, na dia tsy nahazo taratasy fiantsoana tamin’ny fomba ofisialy aza. Fomba famaly ara-pomba diplaomatika moa ny hoe tamin’ny gazety no nahafantarako ny fihaonana any Tanzania, araka ny nambaran’i Andry Rajoelina omaly, fa raha ny tena marina dia efa ela izy no nahafantatra fa tsy maintsy hisy io fihaonana io, efa fantany ihany koa tsinona fa hivory any Tanzania ny SADC amin’ny fiandohan’ny volana desambra, ka mba mahagaga ihany ireny fialany bala omaly ireny. Dia ho hita eo moa raha tena ho sahy tsy ho any Dar es Salam tokoa i Andry Rajoelina na koa mbola hitsivalana indray amin’izay zavatra ho ambaran’ny SADC, izay marihana fa nomen’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fahefana mba handamina ny krizy malagasy. Tsy vitsy ny olona mahatsikaritra fa matetika no manao hambom-po diso toerana sy miavona loatra Atoa Andry Rajoelina.

Tsy manaiky ny vahaolana aroson’ny hafa izy kanefa tsy mahita ny vahaolana tena mahomby hanavotana ny firenena. Tsy maintsy ilaina ny fifampiresahana, eny fa na dia amin’ny mpifahavalo aza, satria izay ilay hoe ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka no jerena fa tsy ny tombontsoan’ny tena manokana. Mety mba maharary an’Atoa Marc Ravalomanana anie izany hoe mihaona amin’ilay olona nanongana azy, sy manaiky fa io no filohan’ny tetezamita izany, saingy tsy niavona izy fa nanaiky izay fampiantsoana fifampidinihana rehetra, ary tsy voatery hahitany tombontsoa ny zavatra noresahana sy ny fehin-kevitra mety hivoaka avy eo. Ny any Mali aza efa namoahana fehin-kevitra tao amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana fa handefasana tafika mpampandry tany, fa dia mbola manaiky mifampiresaka ihany ny mpifanandrina, afaka miresaka tsara tahaka izany koa ny any RDC. Efa ady sy fifamonoana mihitsy anefa no mitranga any amin’ireo firenena Afrikanina roa ireo, fa tsy hoe fitokonana sendikaly etsy sy eroa, na misy vondron’olona manao fitakiana am-pilaminana ao amina kianja iray. Ka dia ho hita eo izany e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT