Edito

Ho hita eo indray ary


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Na dia mbola hafampana ihany aza ny adihevitra eny amin’ny antenimierandoholona momba ny fanitsiana ilay fitsipi-pifehezana anatiny sy ny tokony hanohizana ny fifidianana, dia tsy hisy ny hoe fiovana goavam-be,


 fa efa ny manga kravaty no tompon’ny laka eny aloha. Rehefa nojerena ny sarin’ireto loholona dia hita fa misimisy ihany ireo mpamadika palitao sy ny mpitety fitondrana. Nisy olona avy Arema, nivadika ho TIM iringiriny, nila ranondranony tany amin’ny TGV sy ny Mapar avy eo niofo ho HVM indray. Ny andrasan’ny olom-pirenena tsotra izao dia ny hoe :mba ho matotra kokoa noho ny depiote ve ka tena hiasa ho an’ny tombontsoa iombonana marina ireto loholona ireto. Ny resaka politika tsy maintsy misy, fa mba antenaina hitondra fahamatorana sy fahendrena hamenoana ny banga amin’ity fitondrana sampontsampona ity ireto loholona ireto. Efa tena be loatra mantsy ny gaboraraka, fanararaotam-pahefana, tsindry bokotra sy ramatahora ataon’ireo manampahefana, hany ka leo ny olona, tsy mahatoky intsony ary efa mitady olon-kafa iantorahana. Manana ny maro an’isa notadiaviny izao ny HVM ka ho hita eo izay hataony indray. Fa raha amin’izao kosa no mbola mihisatra fiasa dia mampamangy fa ho halam-bahoaka eo a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT