Edito

Ho hita eo indray ary !


  • Alarobia 01 Aprily 2015

Tsy kilaingalainga na fampiesonana araka ny fomban’ny vahiny amin’ny maha 1 aprily ny datin’andro anio fa dia hiresaka vao maraina amin’ny mpanao gazety eny Ivato ny filoham-pirenena taorian’ny diany nanatrika ny fivorian’ny Comesa tany Addis Abeba –Etiopia.

 

 


 Ankoatra ny tatitra momba ity fivoriana ity, dia andrasan’ny maro ny fanehoan-kevitry ny filoha momba ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena. Ny fampihavanam-pirenena karakarain’ny FFKM, ny momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny raharaha Alain Ramaroson, ny fiafaran’ilay resaka trafika nahavoatonontonona anarana fianakavian’olona ambony tany Bangkok, ny resaka mandeha ny amin’ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin-jiro sy rano…Tsy fanilihana ny rihatra any amin’ny hafa no andrasan’ny olona fa vahaolana. Izay ihany koa no tena ilana ny mpitondra dia ny hikaroka ny vahaolana handrindrana sy handaminana ny fiainan’ny firenena ary hahafahana mampandroso ny toekarena. Ratsy endrika ny fitondrana HVM noho ny tsy fahaizany mitantana krizy, eo ihany koa ny fitavozavozana amin’ny fanomezana vahaolana. Asa na hiresaka zavatra matotra na mbola ho be filaza fotsiny indray anio ny filoham-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT