Edito

Ho hita eo indray !


  • Alatsinainy 12 Martsa 2012

Asa indray izay hambaran'ny SADC tarihan'i Marius Fransman, izay hitoetra andro vitsivitsy eto amintsika.

 Mety mba hisy zavatra hiova ve amin'ity herinandro ity ? Ho tanteraka amin'izay ve ny fampiharana amin'ny ambongadiny ny tondrozotra sa izay metimety amin'ny sasany ihany no atao eto ? Mino sy manantena ny etsy amin'ny Magro fa tsy maintsy tafody i Dada, ary tsy ho ela intsony izany. Raha ny firesak'ireo fikambanana iraisam-pirenena sy vahiny nandalo teto izay mantsy, dia hoe tsy maintsy hampiharina manontolo ny tondrozotra, tsy maintsy mifamela ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao politika ary tsy maintsy atao ny fampihavanam-pirenena. Misy avy hatrany ny mandika izany hoe : tsy misy hevitra fa tsy maintsy mody eto Madagasikara ingahy Ravalomanana ary tsy azo atao ny misambotra azy, ary dia avela ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena izy.

Milatsaka hofidiana koa i Andry Rajoelina dia ho hita eo ny hevitry ny vahoaka, tompon'ny safidy. Endrika fandaminana efa nitranga tamina firenena maro mantsy izy io. Tsara homarihana ihany koa fa fifanarahana politika, tsy misy idiran'ny lalàmpanorenana sy ny raharaham-pitsarana mihitsy ny tondrozotra, ary raha tsorina ny resaka dia tokony hahazo tombontsoa amin'io, ny mpitondra ao anatin'ny tetezamita sy ny mpanao politika rehetra, na koa ireo izay mieritreritra ny mbola hitondra. Fitaovana iray ao anatin'izany ny famotsoran-keloka, izay dingana tsy maintsy andalovana raha tena handamina ny fiarahamonina sy ny firenena marina. Mety ny tsy nanaovana io fampihavanam-pirenena, tena izy io tamin'ny 1991 sy tamin'ny 2002 no nampiverina ny krizy sy tsy nampilamina mihitsy an'i Madagasikara, koa soa lavo hahay hamindra ary antenaina fa mba efa nandray lesona tamin'ny tantara ny mpanao politika sy ny mpitondra tetezamita. Tonga indray ny vahiny mpanelanelana avy amin'ny SADC ka asa raha tena hitondra voka-tsoa ho antsika ny dinika rehetra hatao, na mbola hihodinkodina am-pitoerana tahaka ny tandrimo indray ny toe-draharaha.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT