Edito

Ho hita eo indray…


  • Zoma 08 Janoary 2016

Mifantoka kely eny Iavoloha indray aloha ny sain’ny mpanara-baovao politika sy ireo izay mbola liana amin’ny raharaham-pirenena amin’ity anio ity.


Ankoatra ny fifampiarahabana, firarian-tsoa sy ny hanimpito loha hifampizarana eny dia andrasana izay votoatin’ny kabarin’ireo mpandaha-teny. Misy 4 izy ireo anio dia ny zokiolona amin’ireo Masoivoho eto amintsika, antenimieram-pirenena, ny praiminisitra ary ny filoham-pirenena. Ny mpiasam-panjakana, ohatra, dia miandrandra mafy ilay fisondrotan-karama mahazatra rehefa volana janoary. Inona no tena marina momba ny hoe fanoloana ny praiminsitra, fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ? Ahoana ny tena endriky ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka aminy ? Ny resaka ady amin’ny dahalo, ny trafikana boaderozy sy fanondranana ny harem-pirenena. Miandry izay fanazavana avy amin’ny mpitondra ny vahoaka, misy ve sa tsia ny vahaolana ?An-kilan’izay, andrasan’ny olona fatratra izay mety ho fanazavana na fanambarana ataon’ny filoham-pirenena manoloana ny afera maha voatonontonona olona maromaro manodidina azy tahaka ny mpanolotsainy sy ramatoa vadiny, ohatra. Ny resaka fifidianana loholona nanjakazakan’ny HVM, ilàna fanazavana misimisy kokoa satria maro be ny resaka sy fanakianana manodidina azy io. Asa raha handray ny andraikiny ka hanazava tokoa ny filohan’ny repoblika na hody fanina sy hanodin-dresaka indray !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT