Edito

Ho hita eo ihany


  • Alarobia 05 Mey 2010


Mikiribiby amin’ny fanapahan-keviny i Andry Rajoelina ka dia hihazakazaka amin’ny fametrahana ny Repoblika faha-4, na manaiky na tsy manaiky an’io ireo ankolafy politika maro samy hafa. Efa manana ny datin’andro hanatanterahana ny dingana sy ny fifidianana rehetra ho amin’izany moa, araka ny efa nambarany ny FAT. Efa maro ihany izay sori-dalana nambar’ i Andry Rajoelina izay, saingy tsy nisy voahaja hatramin’ny farany izy ireo, hatreto aloha. Teo, ohatra, ny filazana fa hovitaina mialoha ny 31 desambra 2009 ny fifidianana filoham-pirenena, sy ny hoe : hotanterahana ny 20 martsa ny fifidianana solombavambahoaka, ary ny hoe manana filoham-pirenena vaovao lanim-bahoaka i Madagasikara mialoha ny 26 jona. I Andry Rajoelina no nilaza ireo fandaharam-potoana ireo tamin’ny vahoaka, hitam-poko hitam-pirenena, kanefa dia tsy nisy tanteraka na dia iray aza izany rehetra izany. Ka asa indray ny mety ho fitrangany amin’ity indray mitoraka ity. Ny azo antoka fotsiny dia tsy hahazo fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, na dia hanatanteraka ireo rehetra ireo aza ny FAT, i Andry Rajoelina rahateo efa tsy itokisan’ny any ivelany amin’ity miovaova hevitra isan’andro ity. Asa ny Frantsay. Tsy azo adinoina ihany koa fa mety mbola hiova hevitra indray, tahaka ny fanaony, ny filohan’ny FAT ary hanaiky ny ho any Pretoria indray afaka 12 andro. Ho hita eo ihany !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT