Edito

Ho hita eo ary !


  • Alakamisy 10 Mey 2012

Ny 4 mey lasa teo dia nisy ny taratasy avy any amin’ny praiminisitra nalefa any amin’ny minisitry ny fitsarana, milaza io taratasy io fa tokony hatsahatra daholo ny raharaham-pitsarana mahakasika ireo olon’ny mpanohitra.

 Izany no natao moa dia mba ho fampiharana ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra. Efa ho 6 andro amin’ity anio ity izany no nalefa io taratasy io, azo antoka fa efa naharay tsara azy Rtoa minisitra, saingy tsy mbola hita aloha hatramin’izao izay fanapahan-kevitry ny fitsarana. Tsy mbola nisy ny fanambarana tamin’ny fomba ofisialy fa hatsahatra ny raharaham-pitsarana mahakasika ireo mpanao politika avy amin’ny mpanohitra. Fanemorana ny daty hiakaran’izy ireo eny amin’ny fitsarana fotsiny aloha no hita hatramin’izao. Ho hita eo àry raha hankato na hahita tetika handavana, io baikon’ny praiminisitra Omer Beriziky io ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine, izay anisan’ireo minisitra notendrena teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny martsa 2009 ka mbola tavela ao anatin’ny governemanta hatramin’izao.

Tsara homarihana fa anisan’ireo minisitra notendren’ny filohan’ny tetezamita mivantana Razanamahasoa Christine, taorian’ny nanasoniavana ny tondrozotra ka nananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena. Sokajian’ny maro ho anisan’ireo tena mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina izy, ary ho sarotsarotra ho an’ny filohan’ny tetezamita ihany ny hanala azy, satria rehefa very seza mantsy eto amintsika dia ny fanaovana ampamoaka sy famoahana tsiambaratelo no tena manavanana ny mpanao politika. Raha Razanamahasoa Christine no mamoaka tsiambaratelo izany, dia mety ho hafahafa ihany ho an’ny filohan’ny tetezamita ! Zava-dehibe loatra amin’ny dingana fametrahana ny fitoniana io fampitsaharana ny raharaham-pitsarana ny mpanohitra ny FAT io, ary zavatra efa nekena sy nosoniavina ka tsy tokony hiandrasana ela ny fampiharana azy. Efa iaraha-mahalala ihany anefa ny foto-pisainan’ny FAT, fa tsy mba te hahalala afa-tsy ny azy ihany, ka ho hita eo indray ny zavatra hitranga e !

Ny tena mahaliana ny maro izao dia ny hoe : raha toa ka tsy manatanteraka io baiko io ny minisitry ny fitsarana dia hanao ahoana no mety ho fanapahan-kevitry ny praiminisitra Omer Beriziky ? Manam-paniriana ny hiditra indray eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo ny sabotsy ho avy izao ny ankolafy Ravalomanana, izay efa any ivelan’ny tetezamita ny tongony iray. Maromaro amin’ireo mpitarika ao no manan-draharaha eny amin’ny fitsarana, ka raha mamoaka fanambarana mialoha io sabotsy io ny ministeran’ny fitsarana ny amin’ny fampitsaharana ny fanenjehana rehetra, dia mety azo eritreretina ihany ny tsy hisian’ny hetsika fidinana an-dalambe amin’io sabotsy io, dia aroso haingana ny fifampiresahana amin’ny endriny vaovao. Fa raha toa moa ka miziriziry amin’ny heviny ny ministeran’ny fitsarana dia hiakatra indray izany ny maripana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT