Edito

Ho hita eo …


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Fa inona marina ary no tena tadiavin’ny FAT ? Tsy mety mahazo lesona mihitsy ve sa entin’ny mokon-doha fotsiny ?

 Tsy nisy herinandro akory ny nanasoniavana ilay sori-dalana dia efa mandray fepetra hampisavorovoro sahady ny governemanta. Ilay famoahana didy fampisamborana ny filoha teo aloha no tiana horesahana eto. Handefa zandary sy polisy atsy Afrika Atsimo mihitsy (hono) ny FAT hisambotra an’ilay iraikalahy teo aloha. Hotanterahana (hono) io fisamborana io, ary tena tsy misy hifandraisany amin’ny resaka politika mihitsy. Mahagaga ihany anefa fa ny ampitson’ny nahavitan’ny sonia no nanetsehana indray ny didy fampisamborana an’i Marc Ravalomanana, ary nanamafy ny mpitandro ny filaminana avy eo, ny talata fa hisy ny iraka manokana alefa any Afrika Atsimo hisambotra an-dRavalo. Efa tamin’ny martsa 2010 no nivoaka io didy io, ka nahoana moa no tsy notanterahana avy hatrany fa mbola niandry herintaona mahery ? Nisy ny fotoana efa nandraman’ny FAT nandefa manamboninahitra avy ao amin’ny tafika tatsy Afrika Atsimo saika hisambotra an’i Marc Ravalomanana saingy tsy tanteraka izany. Ny Fanjakana tany an-toerana ihany koa dia efa nilaza sy nanamafy fa tsy misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta momba ny fitsarana, koa noho izany dia tena sarotra ity resaka ity. Ka inona izany no antony hidradradradrana fa handefa «commando» any Afrika Atsimo ? Antony ara-teknika ve sa antony ara-politika no nanetsehana indray ilay didy fampisamborana ? Raha antony ara-teknika sy araka ny lalàna marina ilay izy, dia mba efa nandrefy ny mety ho fiantraikany amin’ny tontolo politika eto an-toerana sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany ve ny FAT ? Tsy tokony hohadinoina fa efa malaza ratsy amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona izao fitondrana tetezamita izao, araka ny fanambarana navoaky ny Amerikanina sy ny Eoropeanina.

Taolana iray ho an’ny FAT ihany koa ny fahavitan’ny sonian’ilay sori-dalana satria voalaza mazava ao ny famelana ireo filoha teo aloha hiverina eto an-tanindrazana, ny fampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra mamofompofona politika. Izany no natao dia mba hampitoniana ny firenena. Na ahoana na ahoana ambaran’ny FAT dia azo antoka fa hampisavorovoro ny tontolo politika sy ny fiarahamonina ny fisamborana an’i Marc Ravalomanana. Samborina moa izy dia hoentina aiza ? Moa tsy eto Madagasikara ihany ? Dia mahazo antoka tanteraka ve ny FAT fa hilamina sy hipetra-potsiny ireo mpomba ity filoha teo aloha ity manoloana izany ? Ary na ny sehatra iraisam-pirenena koa aza dia azo antoka fa hanameloka izany fihetsika izany ary vao mainka hanamafy ny sazy.

Tsy fahaizana ve sa mokon-doha fotsiny no mahatonga ny mpitondra ankehitriny mijabaka amin’ny raharaha toy izao ? Fampandriana adrisa no handanian’andro ! Tsy voatery hampiasaina amin’ny tsindry bokotra sy fandrahonana foana anie ny fahefana e ! Tena afaka nanapa-kevitra ny filohan’ny FAT hoe : aleo hody am-pilaminana ireo filoha teo aloha satria misy ny dinika tsy maintsy mbola ifanaovanay ! Olana politika no misy eto ka tsy maintsy vahaolana politika avy amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika no hamahana azy. Vao mainka hanaratsy endrika ny tetezamita ny fanagadrana filoham-pirenena teo aloha sady filohan’ankolafy izany ary tena fahadisoana goavana amin’ny paikady politika.

Raha nisy mpanohitra navaivay sy nahitsy fitenena teto dia anisan’izany ny profesora Zafy Albert, fa tsy mbola nisambotra azy izany ny fitondrana Ravalomanana. Manana fifanarahana mazava amin’i Lafrantsa amin’ny resaka fitsarana isika saingy tsy nandefa mpitandro ny filaminana hisambotra an’i Didier Ratsiraka tany ny fitondrana Ravalomanana. Tsy sanatria fanavakavahana fa manana sata manokana izany hoe filoham-pirenena izany fa tsy samborina araka izay itiavana azy fotsiny, na inona na inona mety ho antony. Ka dia ho hita eo moa ny ho tohin’ity raharaha ity satria hanova zavatra maro ilay izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT