Edito

Ho fatin-drendrarendra


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Mba tsy hilazana hoe ho fatin-drevy dia aleo atao hoe ho fatin-drendrarendra amin’ny fanabeazan’ny mpitondrantsika eto isika mianakavy.

 Miverin-dalana tanteraka any amin’ny “revolisionina sosialista”, izay nofehezin’ny mpandinika raharaham-pirenena efa hatramin’ny taona 2002 hoe revolisionina sandoka isika ankehitriny, raha ny fijery ny toe-draharaha. Ny olana anefa dia raha lalan-dratsy no nirosoana nankany amin’ny fampandrosoana izay saika nahomby fa nofaranan’ny krizy 2009 dia azo antoka fa efa hantsana makadiry no hitsena ny Malagasy amin’izao fiverenan-dalan’ny mpanao politika izao. Hatakalo 4x4 ve  ny hoavin’ny nosy ? Ahoana no hahazoana antoka fa tena voadinika araka ny tokony ho izy tokoa ny volavolan-dalàna 700 pejy nolaniana teny anivon’ny antenimieram-pirenena ? Im-piry moa no efa nodradraina fa tokony hajanona ity fandanindaniana lalàna kimaimaika sy tefy manta ity ? Fotsy rora izay miteny satria ny hazondamosin’ny mpitondra no mihaino azy. Hazondamosina koa no avalin’ireo vahoaka satria efa reraky ny krizy dia malaina hitroatra. Dia hiverina daholo raha izao no mitohy ny 26 taona eo amin’ny fitondrana sy ny kolera aorian’ny pesta ary izay mariky ny fahantrana rehetra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT