Edito

Ho fantatra ihany ve ny marina ?


  • Alakamisy 30 Jona 2016

Tsindrian-daona ny rehetra hahafantatra ny tena marina sy vokatry ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana momba ny herisetra nitranga teny Mahamasina ny 26 jona lasa teo.

Io foana aloha hatreto no lahimatoam-baovao ary iadian-kevitra etsy sy eroa. Maro ny fanehoan-kevitra na ho an’ny mpanao politika na ho an’ny olon-tsotra. Misimisy ihany anefa ny fanontaniana tsy mbola ahitam-baliny mazava. Fa ny manitikitika ny saina dia ny tanjona tamin’iny famonoan’olona iny. Fanakorontanana ve ? Filam-baniny ve ? Fanehoana fahatezerana sy fahasosorana ve sa tena politika avo lenta araka ny feo re etsy sy eroa ? Anisan’ny paikady efa fanaon’ny mpanao politika ihany mantsy ilay mamorona tranga vaovao hafa mihitsy  mba tsy hampifantoka loatra ny sain’ny olona amina tranga iray. Tsy sanatria fanakiviana ny fianakavian’ireo namoy ny ainy sy ireo naratra ary mety hitondra takaitra fa efa mba betsaka ihany izay « grands dossiers » teto Madagasikara izay fa tsy nety nivoaka mihitsy ny tena marina e ! Anisan’ireny ny raharaha Ratsimandrava, ny an’ny kung fu, ny nahafatesan’ireo manamboninahitra niaraka tamin’ny contre amiral Sibon Guy, ny raharaha 7 febroary, io resaka boaderôzy io, ny halatra taolam-paty, ny asan-dahalo any atsimo. Tsy mety mipoitra ny marina satria mety hanohintohina ny tombontsoan’ireo deba be tompon’ny lakile amin’ny fanakorontanana sy fangoronan-karena eto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT