Edito

Ho fahagagana sa ho fampiesonana ?


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Ho tapitra anio ny fe-potoana 3 andro nomen’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, fa tsy maintsy hamoahana vahaolana mikasika ny fisondrotry ny vidim-piainana.

Samy miandry ny fahatanterahan’izany ara-bakiteny izany ny Malagasy aloha ka asa hisy tokoa ve ny fahagagana sa ronono an-tavy sy balalarora ohatran’ny fanao mahazatra ity atao ity. Mampahatsiahy ilay hiran’I Sareraka tao anaty meditation hoe: tsy takatry ny kely vola intsony izao ny atody! Efa mandeha ny karazana vazivazy sy sarisary zary tenany hoe: afaka hividy atody amin’ny sariny 400Ar amin’izay ve izany izao, raha 700 sy 800Ar izany ankehitriny? Tena hisy tokoa ary ve ny fahagagana? Raha hisy ny vahaolana dia ho an-taratasy amin’ny alalan’ny didy raisina ao anatin’ny filankevitry ny minisitra fotsiny sa mba ho azo tsapain-tànana hiantraika amin’ny fiainam-bahoaka? Ho vahaolana maharitra sa ho fanaovana fandokafan-tena? Fomba fanaon’ny mpanao politika ny milalao saim-bahoaka, manararaotra ny fahasahiranana ahafaha-manambaka azy. Sanatria mety hamoronana olana, na havela hihamafy ny olana mahazo azy, tena havela hahatsapa mangirify, ka rehefa tolorana vahaolana na petatoko sy tsy mankaiza aza dia manao “alleluia” amin’ny mpanao politika satria zara aza misy an’iny. Raha ny tena marina anefa, tsy niseho akory ny olana raha mpitondra sy politisianina tena nahay nitantana sy nitsinjo vahoaka, saingy matetika isika Malagasy no voajono ao anatin’ny “manipulation de masse” na fampatoriana mitsangana avo lenta. Izany eo ihany na izany aza, fa zava-dehibe aloha rehefa mba mitondra vahaolana. Ny manahirana kosa dia ity tena fahasahiana mampanantena fahagagana ity. Mbola tsy voafehy ihany ve ny fitondran-tena ara-politika, ny fomba firesaka, ny fampanantenana,… sa efa izay no nahomby hoe: mampiesona sy manao fampanantenana valamaty dia avy eo iniana tsy tsaroana? Hiverenana sy ampahatsiahivina foana fa efa noresahina teto anie izany hoe: hovitaintsika ao anatin’ny 10 andro ny fanisam-bahoaka manara-penitra, hizarantsika solosaina ny fokontany tsirairay, efa any anaty sambo ho tonga afaka iray volana sy tapany ny Usine Nutriset, ferana ho 500Ar ny kapoakan’ny vary,… fa mby aiza ny fahatanterahan’ireny rehetra ireny ankehitriny? Sao mba tokony hialana amin’izay ihany koa ity fampanantenana manidintsidina sy fampiesonana manara-penitra ity fa ny vahoaka no ampiana sy hatosika hamokatra ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT