Fa maninona no kandida akaiky ny fitondrana, mba tsy hilazana hoe tohanany mihitsy, no tena ankamaroan’ireo nametraka fitarainana sy fitoriana,
raha ny norenesina teny amin’ny tribonaly misahana amin’ny ady amin’ny fanjakana nandritry ny fihainoana izany rehetra izany teny Anosy ny sabotsy teo? Fa maninona ihany koa no tsy nifidy fa na kandida tohanan’ny mpanohitra mivantana izao fitondrana na ireo mpifaninana azo fintinina amin’ny hoe “tsotra” dia niharan’ny fiapangana sy fanaratsian’izy ireo avokoa? Malaza mihitsy ankehitriny fa lasa karazana baiko ilay hoe rakofana kandidam-panjakana ny fitondrana ny tanana. Fa angaha moa tsy hoe fitondrana mpandala ny demokrasia sy ny fahalalahana indray izao fitondrana izao? Hatry ny ela no efa nalaza ho tsy mahazaka demokrasia ny Malagasy saingy rehefa alefa lavitra ny fandinihana ny fiarahamonina misy eto dia mbola sarotra aloha ny ahita porofo fa izao fitondrana izao no mahazaka izany indrindra. Ny mifanohitra amin’izany aza angamba no tena hita hatreto. Tafiditra ao anatin’ireo firenena 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika ankehitriny ary tao anatin’izay 60 taona latsaka kely nahazoana ny fahaleovantena izay no efa niainana tanaty fivoarana ho amin’ny fahantrana hatrany isika ary zava-dehibe miisa 3 no isany nalaza ho tsy tomombana teto. Isan’izany ny demokrasia sy tany tan-dalana ary ny fahalalahana maneho hevitra. Maro amin’ireo firenena niara-dalana tamintsika fahiny, ny sasany aza mbola tany aoriantsika no efa nisongona sy nihoatra lavitra antsika ankehitriny. Rehefa adiadiana lalina ireny firenena ireny dia nivoatra nialohan’izay fandrosoan’izy ireo tsikelikely izay ihany koa ireo 3 voalaza teo ireo. Hita ho sarotra anefa ankehitriny ny fandidiana ho an’ny firenena tratra aoriana amin’ny fandrosoana toa antsika. Aiza marina no hanombohana azy fa na ireo firenena tena tian-kiarahana hiasa matotra aza ity mbola hita ho mampisabaka?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.