Edito

Ho diso kajy


  • Talata 14 Novambra 2017

Tsy nisy niafina fa dia niharihary avokoa ny kajikajim-pitiavana sy fitehirizan-tseza nasehon’ity fitondrana ity tao anatin’ny 4 taona nijoroany.

Na inona fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra dia tonga amin’ilay fitenenana hoe “ny atao no hita” isika izao. Nakatona ny orinasan’ny filoha teo aloha satria ahiana ho mpifanadrina matanjaka indrindra amin’ny taona 2018. Nosoloina an’ny tanan-kavanan’ny filoham-pirenena ny filohan’ny antenimierandoholona. Miharihary fa rehefa tsy fanambatambazana ny hiala no natao dia sarotra ny hino hoe tsy nisy fanerena tao. Fifanandrifian-javatra ve hoe minisitra teo aloha izay sahy nifanandrina tamin’ny filoha teo aloha tamin’ny resaka tany tetsy Andohatapenaka no lasa filohan’ny antenimierandoholona ankehitriny ? Mbola ny zandriny koa amin’izao no tale misahana ny fikirakirana ny lafiny informatika eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Ny fifanarahana amin’ny resaka varo-tany tamin’ny vahiny nataon’ny fitondrana manomboka miharihary ankehitriny tsy tanisaina intsony ary ahiana ho antony hitadiavan’ny fitondrana fomba rehetra ahafahana mijanona eo amin’ny fanapahana mandrakizay. Diso kajy anefa ny mpitondra. Rehefa lasan’ny vahiny ambongadiny moa ity nosy ity dia iza no hanjaka ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT