Edito

Ho diso fanantenana


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013


Andrasana izay havoakan’ny latsa-bato ataon’ny mpifidy, dia ho hita eo raha mba nahomby ihany na tsia ity fihetsiketsehana be ataon’ny ankolafy Rajoelina ity. Miasa avokoa na vola na fitaovana na fahefam-panjakana. Ampy hakana ny vaton’ny olona sy hanovana ny safidiny ve anefa izany ? Nirotsaka an-tsehatra omaly ny filohan’ny tetezamita, nialokaloka tao ambadik’ilay hoe mahazo manatrika propagandy fa tsy afaka mikabary ny manampahefana. Asa aloha izay tena tao an’eritreriny fa ny fahitan’ny maro azy dia mampiasa ny maha filohan’ny tetezamita azy mba hampandresena ireo kandidan’ny ankolafiny i Andry Rajoelina. Mazava ilay anarana hoe kandida depiote miaraka amin’ny prezida Andry Rajoelina. Fatra-panenjika ny Dr Robinson Jean Louis ry zareo kanefa ankehitriny toa mampiasa ny anaran-dray hoenti-mangata-bady ihany. “Ny teny no tsy atao be, ny hamerenana azy no sarotra”, hoy ny Malagasy. Hita ho tena maika sy dodona amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity ny ankolafy Rajoelina ka manezaka mafy araka izay tratry ny heriny tokoa. Azo adika avy hatrany izany fa efa mahafantatra ny zava-misy ry zareo, fantany ny fahalemeny sy ny tanjaky ny mpifaninana aminy, fantany fa tsy ho mora ny hahazo toerana maro eny Tsimbazaza, fantany fa tsy marisika intsony na misalasala ny mbola hifidy ireo nilokaloka fa hitondra fanovana tamin’ny 2009 ny olona. Tsy ampy ilay fitondrana ny anaran-dray fa tena mbola nentina teny amin’ny Coliseum mihitsy ny filohan’ny tetezamita, natao karazana entam-barotra hisintonana ny mpifidy. Hafa anefa ny tamin’ny 2009, ary hafa ny zava-misy ankehitriny, efa niova ny fomba fijerin’ny olona, niha nahay politika ny Malagasy, manomboka efa mahay manavaka ny setroka sy ny tomany. Na ahoana na ahoana fihetsiketsehana ataon’ny ankolafy Rajoelina eo dia mety ho diso fanantenana ihany izy ireo rehefa hivoaka ny voka-pifidianana, na filoham-pirenena io na solombavambahoaka, satria efa tena leon’ny sinema sy lainga tsara lahatra ny olona, leon’ny fampanantenana poakaty nandritra ny efa-taona ka tsy hanome fahefana ny mpanongam-panjakana mba hanapotehany ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka indray.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT