Edito

Ho bado sy habadoina foana ?


  • Talata 02 Martsa 2021

Tsy misy kisendrasendra amin’ny politika, fa misy antony sy misy tanjona, ary fiafarany foana ny zava-drehetra.

 

 Eto amintsika, dia matetika sokajian’ny mpitazana ho kilalao maloto mihitsy noho ny fahadisoam-panantenana sy ny fitondran-tenan’ny mpanao politika Malagasy. Zary lasa mivaona amin’ny làlan-tsaina namaritana azy tany am-piandohana ny politika eto ankehitriny, izay fomba hoenti-mametraka lamina handrindrana ny fitantanana ny fiarahamonina sy ny firenena ho amin’ny tsara kokoa hatrany no niandohany. Ny hanasokajian’ny besinimaro azy ankehitriny, dia toetra ratsy hikatsahana fahefana ahafaha-mangoron-karena sy tombotsoa. Atao izay fomba rehetra hitazonana ilay fahefana rehefa azo ka hanaovana ny tsy fanao, hanaovana làlan-dririnina satria mihevitra ho marin-toerana lalandava eo amin’io fahefana io satria efa betsaka ny vola voaangona, tsara karakara ny tafika,… Tsy hihevitra ny ampitso mihitsy, ary tsy mba mieritreritra ny ho tratry ny aloka fa hanana tanjaka ara-politika mandrakizay. Misy fetrany anefa ny zava-drehetra, ka na sokajiana ho malemy sy modraky ny fahantrana aza ny ankamaroan’ny valalabemandry mety hifoha ihany. Tsy tokony hararaotina hatao fitaovana ihany koa anefa ny vahoaka tsy mahalala izay ambonin’ny tany. Poizina ho an’ny Malagasy sy ny firenena ny tsy fanarahana politika tsy mba tahaka ny any amin’ny firenena maro, izay lasa mpandray anjara mihitsy ny olom-pirenena. Eto amintsika kosa toa rehefa fifidianana no ilàna azy ireny, ka misy ny efa milalao sy manararaotra ny tsy fahalalan’ny besinimaro, ka mividy azy amin’ny t-shirt sy ny kizarazara zavatra tsy dia manao ahoana dia milamina indray ny 5 taona manaraka. Mila mifoha ny valalabemandry, mila manaraka ny toe-draharaha, mila mihaino sy mitsakotsako, mila mahay mandinika,… mba tsy hatao tohatra fiakarana lava eto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT