Ho avy ny maraina!

Mbola ho avy ny maraina!


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

Hira fahiny izany ary nakàna lohatenina

boky fantatra loatra eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana fototra eto amin’ity firenena ity ihany. Na ilay voalohany na ilay faharoa dia samy mitory faniriana avokoa fa tsy maintsy mbola hisy ny fotoana ahafahana mivoaka ao anatin’izany hoe fahasahiranana na fahantrana na inona na inona manimba eto amin’ity tany ity rehetra dia mbola ho avy ny fotoana tsy maintsy hiafaràn’izany. Izany ihany koa amin’izao fotoana izao no inoana fa fanirian’ny maro an’isa eto amin’ity firenena ity. Faniriana izay mampiaiky ny misaina rehetra fa ilàna ezaka izany ary azo lazaina ho nahavelom-bolo namarana iny herinandro iny, ohatra, ny fahitàna hetsika tarihina tanora te hahatonga saina ny mpiara-belona na koa olompirenena fa ilaina eto amin’ity firenena ity ny rehetra hahatongavana amin’izany antsoina hoe fampandrosoana ity firenena ity izany marina. Ireo sendika moa dia milaza fa mila atao mitehaka amin’ny tongotra aloha ny tany satria na dia faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany tokoa aza isika amin’izao fotoana izao dia tsy azo adinoina fa lalina dia lalina ny takaitra navelan’ny fambaboana nataon’ny frantsay teto nitohy tamin’ireo ampihimamba iraisampirenena marobe taty aoriana ihany koa. Efa noresahina teto moa hoe takaitra, fara faha keliny izany, naharitra 130 taona, raha raisina ho nanomboka teo amin’ny taona 1896, fotoana nananganan’ny fanjakàna malagasy saina fotsy nanoloana ny mpanani-bohitra frantsay. Nandrodana ny toekarena malagasy ny fanonganam-panjakàna nitranga ny taona 2009 saingy na ny olompirenena tsotra aza nahita nanomboka teo ka hatramin’izao fa nisy lalao politika maloto nitranga samihafa ihany koa tao anatin’izay 17 taona izay. Nivoaka tao, ohatra, ny famakafakàna fa nisy fifamelomana politika nisongadina teo amin’ireo heverina fa mpifanandrina politika voalohany teto amin’ity firenena ity. Nahay niara-dalana tsara ireo ny taona 2018. Na ireo mpamakafaka vahiny aza moa nametra-panontaniana hoe mitombina ve izany fifanandrinana politika maharitra 16 taona mahery izany? Ampahany amin’ny mety ho tantara tsy mazava mila vahana izany ary mety ho ampahany amin’ny olana ihany koa fa ny hita aloha izany izao dia ny hoe miha miala amin’ny fiaraha-miasa mahazatra efa niaraha-nahita fa tsy nahomby tany aloha io ny fitondràna ankehitriny. Hitondra fahombiazana amin’izay ve sa tsia. Misy fanovàna tazana aloha na eo amin’izay lafiny fiaraha-miasa miha miantsinanana izay na eo amin’ny lafiny fanapahan-kevitra samihafa koa. Misy sy hirariana hitohy ny fanovàna ary hiha lalina kokoa. Araka izany dia inoana sy antenaina fa mbola ho avy ny maraina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT