Edito

Ho avy ny fanovana


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Resaka fanovana mpikambana ao anatin’ny governemanta indray izao no vaovao mahoraka amin’izao taona vaovao izao, re fa efa eo am-panomanana tanteraka ny fifidianana izay mety ho tanterahana amin’ny 2019 fa tsy 2018 ny HVM ka mitady izay tena ekipa

.Azo antoka noho izany fa hisy ny minisitra handao ny governemanta, tsy mbola fantatra kosa ny momba ny praiminisitra ; ny tsapa fotsiny dia misimisy ihany ny fifanoheran-kevitra eo amin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly sy ny mpitondra ambony sasantsasany, ary misy fotoana aza tena hita mihitsy fa misy minisitra efa tsy voabaikon’ity praiminisitra ity intsony mihitsy.Samy miandry ihany koa ny rehetra hoe mbola ho tafajanona anaty governemanta ihany ve ny olon’ny TIM sa ho voadaka ao ? somary efa niova ihany mantsy ny tontolo politika eto indrindra fa rehefa nilaza fa ho kandida amin’ny fifidianana filoha Atoa Ravalomanana.Siosion-dresaka efa mandeha koa ny maha kandida ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka, ary mety ho vidiany lafo io hambom-po politikany io satria tsy afa-miaraka ny kravaty mena sy ny kravaty manga.Fa moa ve tena hanova zavatra marina ny fanovana minisitra sy praiminisitra e ? Hanafaingana ny fandrosoan’i Gasikara ve izany sa vao miha handetika azy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT