Edito

Ho avy ny fahagagana !


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Efatra taona izao no nitondran’ny fanjakana HVM antsika, ka raha fiovana sy fanarenana ny firenena no nandrasana dia vao mainka ny ratsy kokoa taorian’ny fitondran’ny mpanongam-panjakana no nisy.


 Marina fa  tsy hisy hahavita fahagagana ao anatin’ny efatra taona monja izany, saingy kosa mba tokony ho fitaratra ny mpitondra, fa tsy tahaka izao misy izao. Tsy misy zavatra voafehy, fa mena avokoa ny tondro rehetra : vidim-bary midangana, tsy fandriampahalemana manjaka, kolikoly mahazo laka… Any amin’ny zavatra marary indrindra ny Malagasy no hanaovana fampanantenana poakaty, fa izay tena fandraisana andraikitra tsy misy. Am-bolana maromaro izay ny fidangan’ny vidim-bary, saingy ny hoe efa mandray andraikitra no hasesy. Efa notenenina foana ny hoe azon’ny fanjakana atao tsara ny manafatra vary mivantana sy miandraikitra an’izany, saingy inona no tsy hanaovana izany ? Rehefa misy ny vary moran’ny fanjakana midina ho azy ny hafa, saingy nofy izany handray andraikitra izany. Tsy efa mazava ve izany fa lalaovina mihitsy ity tantara ity satria malemy ny Malagasy, ary mody hotairina tampoka ao anatin’ny hanoanany, ka hotambazan-kanina kely dia ho faly sy handrotsaka ny vaton’ilay efa mampikolay azy. Mbola rahateo no babon’ny balarora sy ny vola hatao fafy katrana amin’ny fifidianana satria efa ela tsy nihinana ! Tsy atao mahagaga raha mety mody hasiana ny vahaolana tsy ampoizina atsy ho atsy, toa io mody fitokanan-javatra etsy sy eroa io ! Ho maro indray no ho voafitaky ny fahagagana amboamboarina!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT