Edito

Ho avy indray i Dadabenoely!


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Manakaiky ny fifidianana ben’ny tanàna, ka efa miomankomana indray ry Dadabenoely hampanjaka ny politikan’ny domina tapany handoa erany.

 

 

Manakaiky ny fifidianana ben’ny tanàna, ka efa miomankomana indray ry Dadabenoely hampanjaka ny politikan’ny domina tapany handoa erany. Miverina indray ilay voambolana hoe: amboariko izao sy izao, toy ilay resaka fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44. Lasa fitaovana politika aza indraindray, toy ny hoe rehefa tsy ny kandidanay no lany eo, dia tsy ho vita io. Ny kizarazara sy ny kividividy olona rehefa fifidianana, lasa fomba amam-panao mihitsy, saingy rehefa vita ny fifidianana dia mampamangy any amin’izay ny vahoaka, fa ry zalahy any ambadimbadika any efa mibitaka fa milamindamina indray ny dimy taona. Be famangitra sy tena havanana amin’ny resaka ambony latabatra avy eo satria izay no efa politika nilalaovana saim-bahoaka, fa raha tena asa mivaingana azo isaina amin’ny rantsan-tanana. Ny zavatra resahina tsy misy drafitra mazava hoe: rahoviana no hatao, aiza ny vola,… ka toa mijanona ho boky be tsy miteny aza indraindray. Aleo ampahatsiahivina foana ny lojika satria ny eto amintsika dia ny tsy mety indray no lasa mety, ary ihomehezan’ny olona ny manao zavatra lojika satria ezahina habadoina ny Malagasy. Amin’ny politika, dia ny olom-boafidy no manana tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka ho sandan’ny fametrahana azy eo amin’ny toerany. Eto amintsika kosa toa efa vita nialoha ny fotoana ilay tamberin’andraikitra tamin’ny zavatra tsy manao ahoana satria efa novidiana ny safidin’ny olona. Dia ho tratry ny domina tapany handoa erany mandrakizay eto fa tsy mba afaka ny hanao tsindry sy hanitsy ny mibiloka eto raha izao foana raha ho jamban’ny vary iray lovia fa ny tanimbarinao aza anefa mety ho lafony ambongadiny amin’ny vahiny !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT