Ho atao tamana!

Ho atao tamana anaty tsy fanjariana eto izany ny malagasy rehefa mihaino ny fanehoan-kevitry


  • Alarobia 18 Desambra 2024

ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga

ny ankamaroan’ny mpanara-baovao rehefa nahita ny filoham-pirenena ankehitriny nirehareha ho nahazo ny amboara maha mpitarika mendrika aty Afrika azy farany teo. Maro moa ny fanontaniana nipetraka tany an-dohan’ireo nandinika izany rehetra toy ny hoe iza no mitsara izany? Inona avy no fenitra takiana amin’izany hoe mpitarika mendrika izany? Filoham-pirenena nanakana ny mpiray tanindrazana aminy, izay filoham-pirenena teo alohany ihany, hitantana rafitra iraisampirenena hafa ve mendrika izany anaram-boninahitra izany? Filohana firenena faran’izay mahantra eto ambonin’ny tany ve tokony ho mendrika izany? Ny renivohitr’ilay firenena koa aza isan’ireo faran’izay maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Ny fifidianana rehetra tao anatin’ny fitondràn’ilay mpitarika nomena izay anaram-boninahitra izay koa amin’io tsy nitsahatra ny voaporofo fa tsy tomombana. Hatramin’ireo mpanaradia ilay mpitondra aza niaiky fa nisy ny halabato. Tsy nisy fifidianana nitranga teto nanomboka ny taona 2010 no ho nankaty ka tsy voalaza ho feno hosoka sy sampona. Tao ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina tamin’ny karnem-pokontany, ny fifidianana feno verindroa na «doublon», izao indray dia io ny fifidianana feno «ordonnance». Asa indray hoe inona no manaraka fa dia ho atao tamana anaty tsy fanjariana toy izany eto foana angamba izany! Ho atao tamana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT