Edito

Ho an’ny vahoaka tokoa !


  • Sabotsy 24 Martsa 2018

Fandrangitana ve sa porofon’ny tsy fijeren’ny mpitondra ny fiainam-bahoaka eny ifotony ity famerimberenana ny teny hoe ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny hoe ho an’ny vahoaka isak’izay mandray fitenenana ity na dia efa miharihary izao aza mitantana ny malagasy ho any amin’ny faharendrehana ny fanapahan-kevitry ny mpitondra ankehitriny ?


 Sa kosa misy teny hafa efa nomanina hapetraka eo anelanelan’ilay hoe ho an’ny vahoaka ? Sao dia mba hoe ho an’ny fahalavoana na faharesen’ny vahoaka, ohatra ? Raha izay no izy dia ho an’ny vahoaka tokoa ny fanakatonana orinasa mamelona olona an’aliny manerana ny nosy. Ho an’ny vahoaka tokoa ny fanerena fandaniana lalàna efa hita fa hamoritra ny fahalalahana maneho hevitra. Ho an’ny vahoaka tokoa ny fanerena handany lalàm-pifidianana efa tazana feno kajikajy maloto mbola hamokisana ny mpitondra efa diso voky tato anatin’izao fitondrana izao saingy hampitombo ny gasy mpatory an-dalana sy maty noana kosa.  Ho an’ny vahoaka tokoa ny fanitarana ireo fivoriana eny anivon’ireo antenimiera izay mandany ny volam-panjakana kanefa mety ho naman’ny mangahazo atora-kisoa izany raha sanatria lalàna tsy ho lany. Tsy tanisaina intsony ireo tanim-bahoaka bodoin’ny manampahefana sy teratany vahiny mirongatra etsy sy eroa sy ny hafa tsy voatanisa. Ho an’ny vahoaka tokoa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT