Edito

Ho akanin-jiolahy ?


  • Alarobia 27 Martsa 2019

Marina fa andron’ny demokrasia izao. Manaporofo izany io filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ahitana sokajin’olona samihafa io.

 

 Tsikaritra ihany anefa ny kajikajy politika samihafa katsahina amin’izy ity. Toerana ambony hahazoana tombontsoa tsy hita pesimpesenina io, ary anisan’ny goavana ilay fahazoana ny zo tsy azo henjehina. Toa nohararaotin’ny sasany aza izany nentina nampandehanana ny afera samihafa, raha tarafina tamin’ny taom-piasan’ny depiote farany teo. Misy amin’izy ireo no voarohirohy amina afera samihafa, raha tsy hilaza afa tsy ny resaka boaderozy. Ny sasany vao mirotsaka indray efa nosamborina tamina resaka fakana an-keriny izao ka tokony ho any am-ponja, kanefa dia afaka nikarakara dosie sy lisitra faharoa mpisolo toerana. Niverenana nosamborina kinanjo, nahazo fahafahana vonjimaika. Atao mahagaga ve raha misy amin’ny olona no sahy milaza fa ny mpangalatra akoho na mangahazo eny an-tsaha ihany no mifonja eto amintsika. Toa sarintsarina ady amin’ny kolikoly no atao eto mba hakana ny fon’ny mpamatsy vola satria mason-tsivana takian’izy ireo io. Ny be afera sy mpanodinkodina volam-panjakana, ny be galona voatonontonona amina resaka boaderozy tsy misy resaka, ny minisitra voatonontonona amin’ny famarotana tanindrazana dia mbola afa-maina sy tsy misy resaka hatramin’izao. Ny fitantanana ny fanjakana amin’izao fotoana izao, dia maro ireo zavatra mampiahiahy, raha tsy hilaza afa tsy ny vary mora, ny fananganana orinasa mpamokatra ethanol, ny nampidirina fiara mpiady sy fitaovam-piadiana,… Resabe ny resaka fanjakana tan-dalàna sy mpitondra filamatra, fa raha ny atao sy ny afitsoka aloha dia tena misy fifanoheran-kevitra tanteraka ao anatin’io. Fantatry ny rehetra rahateo hoe avy aiza no niaingan’ilay filoha ankehitriny sy ny ekipany, izay te hikosoka ny tantara ka te hampiseho mafy ankehitriny, fa tena madio tsy misy pentina. Ny tanana efa zatra mitsotra, hoy ny fitenin-drazantsika, tsy afaka hivokona intsony. Toa lesona avy amin’izany ity tsimatimanota tadiavin’ny mpanao politika sasany hialokalofana sy hitadiavana vonjy etsy Tsimbazaza ity. Mila mailo ny vahoaka, sao ho lasa akanin-jiolahy ilay ambara fa lapan’ny demokrasia.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT