Ho aiza tokoa?

Ho aiza tokoa moa izany izao ity firenena ity?


  • Alakamisy 21 Martsa 2024

Toa tsy vao izao na omaly ihany no efa nanitikitika io fanontaniana io fa efa

hatramin’ireny faharavana marobe niainga tamin’ny taona 2009 ireny mihitsy. Teo no nanomboka maizina ny hoavin’i Madagasikara, hoy ny mpamakafaka politika. Omaly moa izany dia nanamafy izay fanontaniana izay ny mpisehatra politika iray tery amin’ny antenimieram-pirenena tery. Misy olana goavana iniana tsy resahana eto, hoy izy izay. Inona tokoa ary izany ankoatran’ireo efa miharihary ankehitriny toy ny vidim-piainana miha lafo hatrany, ny delestazy, ny fahatapahan-drano, ny faharatsian’ny lalana, ny tsy fandriampahalemana sy ireo maro hafa efa voatanisa isan’andro? Mazava ho azy tokoa fa misy olana fototra ao saingy maninona tokoa no tsy resahana? Maninona no tsy sahin’ny mpitondra ankehitriny, izay heverina ho tokony hanana ny fahefana hamahana izany eto amin’ity firenena ity ny mamaha azy? Ireo olana iniana tsy resahana ireo ve ilay vao nambarana filohana fikambanana vao haingana koa hoe singa miisa 7 sakana ho an’ny fampandrosoana? Maninona tokoa ary ilay olona, na ny marimarina kokoa, ireo olana, no mitoetra tsy mety tafala hatramin’izao? Maninona no firenena no mbola isan’ireo mahantra indrindra eto ambonin’ity tany ity ihany nefa ambara foana fa faran’izay manan-karena amin’ny harena ambanin’ny tany? Tsy an-kibon’ny tany ihany aza fa na an-dranomasina na ambonin’ny tany ihany koa dia tena voalaza foana fa feno eto raha harena voajanahary. Maninona tokoa ary no tsy mety mankany amin’ny fitrandrahana sy fitsinjarana ara-drariny an’izany rehetra izany ny lalana fa dia mbola izao manjavozavo tsy hita hoe ho aiza izao hatrany? Ho aiza tokoa?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT