Edito

HJRA Ampefiloha Hotendrena anio ny tale vaovao ?


  • Alarobia 06 Aprily 2016

Mampiavaka ny fanjakana ao anatin’izao Repoblika faha-IV izao ny mbola fisian’ny fanendrena olom-panjakana ambony taorian’ny 2 taona sy tapany nitantanana ny firenena

 

. Tsy isalasalana fa sahirana mitady olona amin’ny andraikitra samihafa eto amin’ny firenena ny fitondrana Rajaonarimampianina. Manaporofo izany ny fahitana ireo olon’ireo filoham-panjakana samihafa nifandimby teto Madagasikara miara-mitantana amin’ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy lazaina intsony ny fotoana lany amin’ny fanesorana tompon’andraikitra iray tsy maintsy soloina. Ohatra mivaingana tamin’izany ny fitadiavana izay ho talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Tranga misongadina ankehitriny moa ny eo anivon’ny fahitalavi-panjakana mandeha tsy misy tale mpitantana hatramin’izao. Andrasana ihany koa izay hisolo ny talen’ny Hopitaly Joseph  Ravoahangy Andrianavalona, profesora Razafimahandry Jean Claude nesorina tamin’ny toerany nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 16 martsa 2016. Ho fantatra mandritra ny fivoriana tarihan’ny filohan’ny Repoblika anio moa ny olona handray izany andraikitra goavana eo amin’ny lafiny fahasalamam-bahoaka izany. Voatonona amin’io toerana io hatreto ny lehiben’ny departemantan’ny biolojia eo anivon’ny fakiolten’ny fitsaboana eny Ankatso, araka ny tsilian-tsofina.

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT