Edito

Hiverina indray


  • Talata 06 Jolay 2021

Hiverina indray ny fahiny, hoy ilay hira, rehefa mijery ny tranga nifanesy tato ho ato. Moa ve tsy ny “azo raisina fa tsy mitombona” ihany fa amin’ny endriny hafa iny niseho teny amin’ny fitsarana

  avo momba ny lalampanorenana iny? Azo lazaina ho efa nampoizina ihany angamba ireny rehefa mijery ny kolontsaim-pitondrana nisy hatramin’ny taona 2009 no nankaty. Andeha ho ekena ny hoe tsy any intsony tokoa ary ny tokony hipetrahan’ny olana sy adihevitra satria tranga efa tamin’ny 2 taona sy tapany mahery lasa izy iny no kasaina ho atao fotodresaka indray. Mety hanakorontana ny lamina na fitoniana eto amin’ny tany sy firenena tokoa ve, raha mbola azo ambara ho fitoniana koa izao zava-misy iainantsika Malagasy izao? Ny kere etsy an-daniny tsy vitan’ny hoe miha mafy fotsiny fa miha mielim-patrana. Ny fitotonganan-tsain’ny fiarahamonina koa miseho lany taratra amin’ity fanolanana ambonin’ny mamoafady mitranga etsy sy eroa ity. Ny tsy fandriampahalemana efa eo, indrindra, any ambanivolo. Ny vidin-tsolika hiakatra mitady handondom-baravarana. Ny vidim-piainana ankehitriny efa tsy zaka dia sanatria hiampy izany indray. Ny hamehana ara-pahasalamana efa tsy hita intsony izay ilazana azy. Na ireo tena mba te hanome vahaolana aza angamba kivy satria ny ankamaroan’ireo lesom-pitantanana izany tamin’ny andiany voalohany ihany no mbola niseho tamin’ny andiany faharoa. Io izao fa mandondona koa ny andiany fahatelo, raha tsy efa eto fa mbola tsy ambara amin’ny fomba ofisialy fotsiny. Any anaty fiarahamonina dia efa samy miheritreritra angamba ny ankamaroan’ny mpiray tanindrazana fa efa afa-doza isika. Toy ny mpanara-baovao mihitsy sisa no mahalala fa mbola anaty ahamehana ara-pahasalamana I Madagasikara. Ireny efa hita amin’ny sary miparitaka ireny fa efa vory lanona, mifampitakosona, “manao bal”, hono, ny fokonolona. Moa ve tsy fitsenana ny Barea nialohan’ny nidiran’ny andiany faharoa tamin’ity valanaretina ity ihany sy ny nitsenana ilay mpanakanto avy any an-dafy iray izay? Efa manana paikady, hono, ny minisitera tompon’andraikitra. Samy manana ny paikadiny, hoy ny fitenin’ny tanora izay!
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT