Edito

Hitsoahan’ny akama


  • Alatsinainy 04 Septambra 2017

Manakory Jean ! Dia ataonao ahoana koa izao ilay bandy akamanao iray asain’olona mifaninana aminao iny indray ? Toa tena mihamihataka aminao daholo anie izany akama izany e !


Ianao anefa ity nanary ny teo an-tanana koa ! Dia mbola hanidy ny varavaranao tsy hisokatra ho an’ilay ranamana iny intsony koa izany ianao izao ? Sao dia mba tokony hosainina ihany aloha ny tokony hatao e e ? Ny sambo efa ho rendrika ka ndrao tsy misy eo intsony na dia ny hamonjy amin’ny andro farany aza. Andron’ny fampihavanana ho aho izao mantsy anao na tianao io na tsy tianao. Ianao no mbola te hametraka an’izay rafitra izay eo ka sao dia hafa ny tenenin’ny vava dia hafa anefa ny atao dia mihodinkodina eto foana isika. Ho lasibatra toy izay efa nandalo rehetra teo koa anie ianareo raha tsy manova paika e e !

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT