Edito

Hitsefotra sa hahomby amin’izay ?


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Mitodika any amin’ny resaka fanovana ny mpikambana vitsivitsy tao anatin’ny governemanta sy ny fitsanganan’ny Filankevitry ny fampihavanana (CFM) ny sain’ny rehetra amin’izao fotoana izao.

 Raha ny momba iry voalohany aloha, dia tsy misy hantenaina na kely monja aza fa ny teo ihany no navadibadika, hoy ny maro. Misy mihitsy ny olom-pirenena sahy milaza, fa raha baolina kitra no natao, dia ny irakiraka lasa vodilaharana ary ny vodilaharana mety lasa mpiandry harato. Mampametra-panontaniana kosa ny momba ny CFM hoe mbola hitsefotra sa mba hahomby amin’izay ? Efa maro ihany mantsy izay rafitra natsangana izay, saingy ny vola sy ny fotoana fotsiny no lany. Fanehoan-kevitra miiba hatrany ihany koa ny re amin’izao fotoana izao. Tsy dia misy mametraka fanantenana firy amin’ny hisian’ny fampihavanana ny ankamaroan’ny olona, fa toa vao mainka aza misaina ny hisian’ny sakoroka, saingy ny hamisavisana ny ratsy tokoa angamba hiavian’ny soa. Tsy tokony hiniana tsy henoina anefa ireny, fa matoa ny maro mitondra fanakianana sy tsy mahatoky, dia ao raha, hoy ny fitenenana. Misy ny milaza fa ny olona hampihavanina aza manendry ny mpikambana, ka izany ve tsy efa fitanilana ? Misy ny miteny fa efa homanina ny fehin-kevitra sadasada hanomezana tombondahiny ny hafa sy hisoparana ny hafa amin’ny fifidianana. Ny ahiahy tokoa tsy hihavanana, kanefa eo am-pandrasana tokoa angamba mahita ny atiny, ka miandry ny rehetra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT