Edito

Hitsefotra indray


  • Zoma 17 Septambra 2010


Azo antoka fa hanara-dia ny SADC amin’ny tsy fankasitrahana ny fihaonambem-pirenena tanterahana eny Ivato ny fianakaviambe iraisam-pirenena, noho ny fahitana fa tsy voasolo tena tanteraka ao ny ankolafy politika rehetra, no sady zavatra natao maimaika ilay izy, ka maro ny savorovoro mitranga noho ny tsy fahamatoran’ny fikarakarana. Ny zava-drehetra nitranga ny alatsinainy ka hatramin’ny omaly alakamisy dia nanaporofo fa hitsefotra indray ny fihaonambem-pirenena, na dia mikiribiby hampahomby izany aza ireo mpikarakara. Hafahafa ny zava-mitranga, hifandrotehana ny rano sy ny sakafo, misy olona tsy fanta-piaviana mahazo “badge” ka tafiditra any anaty asam-baomiera. Misy tamin’ireo solontena tany amin’ny distrika no tsy afaka niakatra teto Antananarivo fa hoe nosoloina ny anaran’izy ireo.

Tsy mitovy ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny tatitry ny Dinika Santatra tany amin’ny distrika sy ny antontan-kevitra nozaraina teny Ivato iaingan’ny adihevitra. Amin’ny andro alina no mitety ireo toerana ipetrahan’ny mpizaika ny mpikarakara mizara ny vola tambin’ny fivoriana. Misy amin’ireo mpandray anjara no mangataka hampisondrotana io vola io. Mitarazoka aok’izany ny asan’ny vaomiera mandinika ny lalàmpanorenana, kanefa ity farany no tena fototry ny Repobika vaovao, laharana voalohany amin’ireo tetiandro napetraka ny fitsapan-kevi-bahoaka, handaniana ny lalàmpanorenana vaovao. Ampy hilazana, izany tranga rehetra izany fa tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fihaonambem-pirenena, ary tsy azo antoka ny fehin-kevitra hivoaka avy ao, satria notanterahana tao anatin’ny savorovoro isan-karazany ny fivoriana.

Tsy tokony hahagaga, ato ho ato raha hifanesy ny fanambarana avy any ivelany, hanakiana ity fihaonambe eny Ivato ity. Efa nisava lalana iny ny SADC tamin’ny alalan’i Joaquim Chissano lehiben’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena momba ny krizy Malagasy. Fa anisan’ny antony tsy ankasitrahan’ny maro ity hetsika eny Ivato ity ihany koa, ny namatsian’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina vola azy. Na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny mpikarakara sy ny mpizaika izany, ka maro amin’izy ireo no mety alaim-panahy hiandany amin’ny hevitry ny eo amin’ny fitondrana. Fehiny, tsy maharesy lahatra ny maro, eny fa na dia ny sasantsasany ao amin’ny FAT aza ity sarintsarina fihaonambem-pirenena eny Ivato ity, ary mazava ny resaka fa dia hitsefotra… indray tahaka ireo baomba hita hatrizay, tetsy sy teroa indray ilay izy.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT