Edito

Hitohy ny tsy mbo zah !


  • Alarobia 16 Aogositra 2017

Mpanao politika, mpandinika raharaham-pirenena, hatramina olon-tsotra dia efa samy nisy nilaza fa tsy olona no olana eto fa na rafitra na fomba fitantanana.

 

 Miaiky ny filoham-pirenena tamin’iny herinandro iny fa tsy voafehy ny fiakaran’ny vidim-piainana ary sahirana ny vahoaka. Mbola ilay vahaolana fahagola hatramin’izay nitondrany efa tsy nahomby hatrany anefa no arosony ao anatin’ilay fandaharany amin’ny haino aman-jery efa hanitsaka ny laharana faha-16 izao dia ny hoe efa miroso amin’ny fanalana ireo tsy mahavita azy. Miantso ireo tsy mahavita azy, hono, ny tenany mba hametra-pialana fa tsy miandry hoesorina. Dia hosoloina an’iza indray ary ireo heverina ho tsy nahavita ny asany ? Mba hisy hevitra avy aty ifotony ve fa tsy hoe mody asiana hevitra avy aty ifotony hiaingan’ny fanendrena izay hasolo azy ireny? Ary ilay tsy sasatry ny nanala olona hatramin’izay nitondrany ve mba tena mahavita azy tokoa sa dia faly hanilika ny tsy fetezan-javatra amin’ny hafa fotsiny ? Raha izao fandehany izao aloha dia mbola hitohy hatrany ilay fomba fitenenana hoe tsy mbo zah izay efa nahazatra ireo mpanao politika sy mpitondra hatramin’ny repoblika faharoa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT