Edito

Hitohy ny fahamaizinana ?


  • Alarobia 07 Jona 2017

Dia tsy mbola ho fanta-bahoaka ihany izay namono an-dRatsimandrava, tsy hazava ny mikasika ny raharaha


 Antsakabary, tsy ho fantatra koa ny adidohan’ilay baomba nipoaka tamin’ny fampisalorana samboady ny filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 sy ny tao ambadik’ilay baomba nipoaka teny Mahamasina ny 26 jona 2016 sy ireo raharaha marobe tsy mazava hatramin’izao. Ny hany fantatry ny rehetra hatreto dia raharaham-pianakaviana no itazonana am-ponja ilay mpanao politika Alain Ramaroson na hatramin’ny omaly izay tokony nitsarana azy na tamin’ny 10 volana lasa izay nanombohana nitazonana am-ponja azy. Sanatria ve dia mbola ho izany ihany koa no ho re amin’ny 20 jona izao, izay fotoana hamerenana ny fitsarana azy ? Mbola hitohy hampihemotra ny laharantsika amin’ny ady amin’ny kolikoly ve ny raharaha Claudine Razaimamonjy ? Mbola hitohy ve ny fahamaizinan’ny raharaha avo lenta rehetra izay mikasika ny fanodinana fananam-bahoaka ? 

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT