Edito

Hitafy henatra hatrany


  • Zoma 17 Mey 2019

Mihamafana ny raharaham-pifidianana solombavambahoaka eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

 Miharihary hatrany ny tsindry bokotra sy fifamotehana ara-politika. Ny kandidam-panjakana manao izay ho afany satria miantehitra mafy amin’ny fahefan’ny filoha. Tany Amboasary Atsimo, ohatra, fananan’ilay kandida ny vary mora, izay efa adihevitra be na volam-panjakana na vola maloto no nividianana azy. Any amin’ny rahalahina kandida depioten’ny IRD no mitoby ny vary 200 taonina. Mandeha ny famindran-toerana ireo mpampianatra mpiasam-panjakana tsy manaiky hataon’ny kandidam-panjakana fitaovana politika. Matoa misy an’izay any dia azo heverina ny hisian’io toe-javatra io any an-toeran-kafa. Tsy lany akory dia toa efa misandoka andraikitra sy fahefana, mainka fa raha tonga eo amin’ny fitondrana ? Antony goavana mahatonga izao endrika fanararaotana sy fanjakan’i Baroa izao ny efa famelana malalaka ny gaboraraka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Toa izay miezaka manara-dalàna indray eto amintsika no sokajiana ho dondrona sy bado. Hampanjakaina eto mihitsy ve ny gaboraraka ka samy hanao izay saim-patany fa izay resaka lalàna dia tsy misy lanjany fa mipetraka ho taratasy tsy miteny ? Mihorohoro tanteraka ny fanjakana ankehitriny satria fandresena heverina ho niorina teo ambony fitaka sy hosoka ary tsy fahamarinana no azo tamin’ny fifidianana filoha saingy nekena. Raha ny lojika dia mandeha ho azy ny fibatana fandresena amin’ny fifidianana solombavambahoaka, saingy ho sarotra izany izay manaporofo ny tsy fahamarinan-toeran’ny filoha sy ny ekipany, ka io manao izay ho afany manao amboletra io. Na mety haharesy sy hahazo maro an’isa na ho resy, dia mitafy henatra foana satria fandresena tamin’ny loham-boto, ary raha resy dia vao mainka manaporofo ny fandresena mety namboamboarina tamin’ny fifidianana filoha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT