Edito

Hisy zava-baovao ?


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2012

Azo antoka izao fa tsy maintsy hiverina indray ny diniky ny samy Malagasy, taorian’ny tsy nampahomby ny diniky ny roa tonta tatsy Seychelles.

 Hentitra ny fanambaran’ny SADC ny 1 jona nampiantso fihaonana maika teo amin’i Marc Ravalomananana sy Andry Rajoelina, fa hoe izany no hanafaingana ny famahana ny krizy. Nandamoka tanteraka anefa ny fihaonana, tsy nisy ny zavatra niova fa dia ny teo ihany no teo. Nandalo teto Antananarivo indray ingahy Marius Fransman sy ny mpiara-miasa aminy, nihaona tamin’ny herivelona rehetra, teto amin’ny firenena ary mbola nanamafy (indray) fa ny fifampiresahana eo amin’ny samy Malagasy ihany no tena hamaha ity krizy ity. Toa efa maromaro ihany anefa izay fifanatonana natao izay, saingy tsy mbola mahay mifanaraka ihany ny Malagasy.

Toa vao mainka aza nitombo ny fifanandrinana eo amin’ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana fa tsy nisy mihitsy ny marimaritra iraisana. Mandeha ihany koa ny resaka fa mety hisy tranga vaovao, momba ny dingana famahana ny krizy amin’ity herinandro ity satria toa tsy nahomby tamin’ny asa nataony ny vondrona SADC. Araka ny tsiliantsofina re dia efa manomboka mihetsiketsika indray any ambadimbadika any ireo mpanelanelana Malagasy avy amin’ny sehatra maro samihafa. Mety hifoha amin’ny torimasony ihany koa ny ankolafy politika hafa, eny fa na dia izay tsy nanasonia ny tondrozotra aza. Mibaribary mantsy izao fa mikatso ny raharaha ary tsy nahatafavoaka baolina ry Fransman sy ny tariny. Tsy takona afenina koa anefa ny fitsofohan’ny hery matanjaka avy any ivelany, amin’ny raharaha eto Madagasikara koa dia io, mikatso io ny zava-drehetra. Misy koa ny fifanitsahan’ny fakana tombontsoa eto amin’ity firenena ity, ka izay no maha sarotra ny famahana ny krizy. Hatreto anefa, dia tsy misy afa-tsy ny tondrozotra ihany aloha no lalan-tokana hivoahana amin’ny fahasahiranana, koa raha misy ny zavatra mbola mampifanolana, dia tsy maintsy hirosoana ihany, angamba ny fanitsiana io tondrozotra io, na fanampiana azy, rehefa izay no hipoiran’ny marimaritra iraisana, maharesy lahatra ny maro an’isa. 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT