Edito

Hisy raharaha eto


  • Alakamisy 29 Oktobra 2015

Hatreto aloha dia mangina tsy miteny manoloana ny menomenona etsy sy eroa ny amin’ny fibodoan’ny Frantsay ny « iles éparses » ny mpitondra fanjakana Malagasy. Raha tany amina firenen-kafa dia ny harivan’ny fanambarana nataony ihany dia efa voaantso hitondra fanazavana manoloana ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Rtoa masoivohon’i Frantsa eto amintsika, saingy tsy nisy izany

 


. Azo raisina ho famakian’ady sy fanosihosena ny fiandrianam-pirenena mihitsy anefa ny filazany fa an’i Frantsa ireto nosy ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ireto. Mitovy tanteraka amin’ny filazana fa an’i Frantsa i Nosy be sy sainte Marie ny filazana fa mbola faritanin’i Frantsa ny « iles éparses ». Fantatra tsara fa misy harena ankibon’ny tany tahaka ny etona sy solitany ao amin’ireo nosy ireo ary efa niantso orinasa vahiny hitrandraka izany ao ny fanjakana Frantsay, fa dia mitazam-potsiny ihany ireo mpitondra antsika, na manao valin-teny manjavozavo rehefa sendra ny mpanao gazety. Ny olon-tsotra sy fikambanana madinika indray no taitra ary tapa-kevitra ny hihetsika sy hanetsika ny fitakiana ny famerenana amin’i Madagasikara ireto nosy ireto fa ny fanjakana manao be marenina sady mody fanina. Ho nofy ratsy ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina ity raharaha ity raha ny fandinihan’ny maro satria miha mahery vaika ny fitakiana, efa nivoaka ny resaka hoe :avereno amin’i Madgasikara aloha ny « iles éparses » izay vao miresaka fivorian’ny Frankôfônia amin’ny 2016. Ho raharaha ny hitranga eto raha tsy mahita vahaolana haingana fa tsy be fampiesonana tahaka ny amin’ny resaka delestazy ireo mpitondra fanjakana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT