Ao anatin’ny tolona tanteraka ny herivelona isan-tsokajiny eto amin’ny firenena ankehitriny. Eo ny fitondrana am-perinasa, izay miady mafy sy mampidera taim-by, fa mahery sy matanjaka, ka tsy ho sarotra aminy ny mifikitra eo amin’io toerany io, rehefa voailika ny mpifandrina mafimafy.
Ao ireo mbola mihainohaino sy mijery izay hametrahana ny tongotra. Fa ao ihany koa ny vonona sy sahy, ary tsy mikoso-maso amin’ny ramatahora isan-karazany satria sady atokisan’ny vahoaka no mahatoky ny vahoaka. Mandeha ny fifampiderana taim-by satria izay tokoa angamba ilay hoe samy zanaky ny mpanefy. Samy manana ny fomba fiadiny hoenti-mandresy anefa amin’ny fifidianana, ka ao ny efa mihevitra sahady fa hibata ny amboara ambongadainy amin’ny alalan’ny fomba mora dia ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka. Tsy hay aloha na hanaiky mora foana izany ilay vaomiera misahana azy io voalohany. Efa niseho teto mantsy ny fisian’ny valim-babena rehefa tontosa ny fampandresena iny olona iray iny sy ny ekipany, izay mbola tamana sy matahotra ny ho very fihinanana atsy ho atsy. Efa mailo ny amin’izany kosa ny rehetra, ka dia hisy, raha mbola izay no heverina fa hampanekena ny rehetra mora foana. Tsy fomba fiady intsony ny tahaka izany, ary vao mainka manaratsy endrika ireo mihevi-tena ho mafy ity tsy fahafehezana ny zava-dehetra ity, kanefa tsy manan-katao afa tsy ny hikapa ranjo ny hafa. Vidim-piainana midangana, tsy fandriampahalemana manjaka, ny famonjena traboina tsy voafehy,… Tsy efa mijoro ho fahavalon’ny rehetra ve raha mbola miana-kendry eo ihany ? Ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa, kanefa efa misy ihany ny miomana hamaly bontana sy hampisotro tangena ireo milaza aza ho mafy atsy ho atsy ho valin’ny mangidy nampitondraina azy !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.