Edito

Hisy horaisina ?


  • Talata 15 Novambra 2016

Mivarahontsana ny tena rehefa manambatambatra ny zava-mitranga rehetra tato ho ato.


 Na fitsaram-bahoaka manao tohivakana io na lalàna mikasika ny fananantany nohavaozina, indrindra fa ireo fitakiana etsy sy eroa izay tafiditra ao anatiny ny resaka fanoherana ireo Sinoa mpitrandraka harena ankibon’ny tany eto amintsika sy ilay raharaha mikasika renim-pianakaviana voatondraky ny asidra, izay mbola Sinoa ihany koa no ao ambadika. Tsy resahana intsony ireo tolona sendikaly izay toa omaly tsy miova. Ny tiana hiaviana dia ny hoe handova dezaka eto tokoa izany isika satria efa loza mihatra izao no hita fa tsy manambana intsony. Atsy ho atsy dia ho feno vazaha tompontany eto ary ny Malagasy indray no ho lasa vahiny. Tamin’ny lalàna teo aloha dia tsy azo amidy ny tanindrazana. Amin’izao fotoana, nanovanana hoe azon’ireo vahiny atao ny mifanaraka amin’ny fitondrana raha tian’izy ireo ny hividy tany eto. Hisy horaisina intsony ve ho an’ny taranaka faramandimby raha tsy haato izao fivavahana amin’ny vahiny izao e ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT