!
Mihevi-tena ho eo mandrakizay ny mpitondra ankehitriny, ka tsy misaina akory izay haloaky ny ampitso. Tsy misy intsony ny fanjakana tan-dalàna fa efa tena ara-bakiteny ny fanjakan-jiolahy eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Zary anjara adidy sy andraikitry ny fitondram-panjakana HVM ny miaro sy mampandositra ny mpanao afera sy ny mpanao kolikoly, ka any amin’ny zavatra tsy dia manao ahoana no midingin-drambo sy te haneho fa tany tan-dalàna ny firenena. Mba rahoviana ny mpanao kolikoly avo lenta no hiditra any am-ponja ? Mba rahoviana ny mpanao aferana boaderozy no hizaka ny ngidin’ny afera malotony any am-ponja ? Ny vahoaka madinika foana izany no hampizakaina ny mangidy sy ny mafaitra eto fa ny mpitondra dia manao volo ngita mifandray tendro lalandava amin’ny fampanjakana ny tsimatimanota. Manomboka tonga saina anefa ny rafi-panjakana maro manoloana ny tsy fampanjakana ny kolikoly eto, ka diso hevitra ny jiolahy nahazo fahefana amin’ny fiheverana fa mbola azony baikoina sy fehezina ny zava-drehetra. Efa mitsoaka ny rivo-pandrodanana ny fanjakan-jiolahy eto amin’ny firenena ka na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho resy ihany ny ratsy, hoy ny fitenenana. Ny 99 andro no an’ny mpangalatra fa tsy mandrakizay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.