Mety mbola ho ela ihany vao tena hohajaina ny fanehoan-kevitra sy ny demokrasia eto amintsika, hoy ny mpitolona iray ao amin’ny ankolafy telo. Mety hoe fanakianana ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana fotsiny noho ny firehan-kevitra politika tsy mitovy izany, raha toa ka dinihana maimaika. Raha halalinina dia tokony hampisaintsaina tsara ny rehetra izany. Nambara fa tsy nety ny nataon’ilay fitondrana teo aloha fa nahery fihetsika hono ny mpitondra, tsy afaka naneho hevitra an-kalalahana ny mpanohitra, nakatona ny radio sy fahitalavitra manohitra ny fitondrana, tsy navela hijoro araka ny tokony ho izy ny antokom-pivavahana sasany… Raha dinihana amin’ny saina tsy miangatra anefa ny zava-misy amin’izao fotoana dia azo ambara fa ny teo aloha ihany izao no miverina, ary niha ratsy kokoa aza, ary tsy hita mihitsy izay fiovana ankoatra ny tsena mora angamba !
Mibaribary mantsy izao fa miha sahirana sy miha mahantra ny vahoaka, mitohy ny fanakatonana onjam-peo sy fanaovana ramatahora amin’ny mpanao gazety, alefa eny an-tsisin-tosy araka ny fomba fitenenana ny mpanohitra, natao haingon-tanàna fotsiny ny kianjan’ny demokrasia izay notokanan’i Andry Rajoelina. Fampandriana adrisa ny filazana fa malalaka ny fanehoan-kevitra eto, izao vao tena jadona ara-bakiteny, hoy ihany ity mpitolona ao amin’ny ankolafy telo ity. Tsy azo tsapain-tanana ny fiovana roa taona aty aoriana. Raha fiovana ho any amin’ny ratsy angamba dia mety ho marina ihany raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana. Ny korontana anatiny eo amin’ny fitondrana fotsiny dia efa ampy hanaporofoana fa maro be ny zavatra tsy mety eto, fanakorontanana no nitranga teto, koa dia nikorontana tokoa ny zava-drehetra ary ho sarotra ny handaminana azy. Maro ireo manampahefana notapohan’ny nahazo fahefana ka mihoa-pefy sy manao tsinontsinona ny hafa. Ny tena mahoraka aloha amin’izao fotoana ary arahan’ny mpanara-baovao maso akaiky dia ny raharaha anatiny ao amin’ny polisim-pirenena ; taorian’ny olana teo amin’ny polisy sy ny taxi be mantsy ka nampidongy ny polisy mpandamina ny fifamoivoizana, dia mizara indray izao ny hevitr’izy ireo noho ny raharaha Verdon, izay nivadika ho raharaha Organès – Brunel.
Samy mbola mipetraka amin’ny toerany izy mirahalahy ireto, izany hoe samy tsy nisy diso tamin’ny fampidirana teto Madagasikara ilay mpikarama an’ady mpikotrika fanonganam-panjakana izany. Manana tombony misimisy ihany amin’ny mpanohitra moa ireo ao anatin’ny fitondrana satria afaka maneho hevitra an-kalalahana no sady mahazo ampaham-potoana lavalava mihitsy ao amin’ny haino amanjerim-panjakana. Ary ny tena nanaitra ny saina dia toa lava noho ny ampaham-potoana natokana ho an’ny propagandy no omena ireo manampahefana manadio tena noho ny tandrevaka nitranga tao amin’ny departemantany. Raha izay no dinihana dia malalaka ny fanehoan-kevitra ho an’ireo eo amin’ny fitondrana ary tsy mipetraka mihitsy ilay fomba fandavana mihaja manao hoe omena alalana ianareo fa tsy maintsy manaja ny lalàna sy manaraka ny fandaminana izany, satria misy mpampiasa hafa ny kianja ! Ho an’ireo mpamazivazy ary dia tsotra ny fahitan’izy ireo ny zava-misy : tsy mila toherina sy kianina intsony ny FAT fa efa mifamingana ao an-dapa ka hirodana ho azy eo ihany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.