Edito

Hirefotra sa hitsefotra ?


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Hirefotra sa hitsefotra ? Io indray no fanontanian’ny mpanara-baovao mikasika ny zava-misy eny amin’ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izao.

 Ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta no tian-kambara eto izay mbola baraingo amin’ny besinimaro hoe ho tanteraka ve sa dia hitsefotra toy izay efa niseho hatramin’izay. Miezaka mamono ny afo amin’ny fomba rehetra ny eo anivon’ny fitondrana, izay efa malaza amin’ny resaka fizaram-bola na malety hoenti-manambitamby ny solombavambahoaka tsy hanaiky ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izay efa hitam-poko hitam-pirenena fa tsy mahavita azy. Raha resaka kolikoly sy afera maloto, dia tena malaza sy tsy resy mihitsy ary anisan’ny voatonona matetika ao anatin’izany ny lehibeny, dia ny praiminisitra. Dia samy miandry ny rehetra hoe hiseho indray ve ny mikimaky na dia efa miseholany sy mitombo andro aman’alina aza ny tsy fankasitrahana ny mpitondra ankehitriny ? Hisy indray ve ny famotsiana ny efa hita fa mainty, ka ho jamban’ny vola aman-karena indray ireo solombavambahoakantsika, ka hivarotra ny feon’ny fieritreretana, ary hanapin-tsofina amin’ny kiakiakan’ny vahoaka efa torovan’ny fahantrana sy tofoky ny fanjakan-jiolahy ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT