Nivalona tanteraka ny fetin’ny asaramanitra niraisan’ny sarambabem-bahoaka ary miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro ny isan-tokantrano. Ankoatra ny fety niraisan’ny rehetra anefa,
dia mbola mitohy eny antsefantsefany eny ny fanamarihana sy fifampiarahabana nahatrarana ity taona vaovao ity ho an’ny vondron’olona isan-karazany toy ny mpiara-miasa, ny isam-pianakaviana, ary tsy very anjara amin’izany ny mpanao politika sy ny mpitantana eto amin’ny firenena. Toy ny isan-taona dia hotanterahina rahampitso eny Iavoloha ny fiaraha-misakafo noho izao asaramanitra izao, ka mpanao politika maro sy olo-manan-kanja eto amin’ny firenena ary ireo masoivoho vahiny no nahazo fanasana, ka isan’ireny ireo filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita. Nisy ny efa naneho ny hanatrehany izany ary ao ny mbola tsy naneho hevitra. Tandindon’ny fifampihavanana ny fifanasana sy ny firaisan-databatra toy izany ary tsara raha izany no hanombohana ny taona. Fisokafana amin’ny hafa no antony mahatonga ny fanjakana hanao izany sa noho ny fomba amam-panao mahazatra ihany? Ny mba handrandrain’ny maro dia hitohy ny firaisana latabatra sy ny fifanatonana toy izao, ka tsy ho adilahy lava izao no hiainana eto amin’ity firenena ity saingy toa mbola lavitry ny kitay ny afo satria ny tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany aloha no zava-misy hatreto, raha atao indray mijery. Rehefa misy ihany ny finiavana toy izao dia tsara kokoa raha tohizana sy hamafisina, ka mba fo vaovao sy saina vaovao vonon-kihavana amin-kitsimpo no ho enti-miara-miaina eto amin’ny firenena ary ny fikatsahana ny soa ho an’ny firenena no atao vaindohan-draharaha, ka ho tanteraka ilay ao amin’ny hiram-manao hoe : “hiadana sy ho finaritra tokoa izahay”!
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.