Dia tonga ihany ity ny datin’ny 20 mey 2011 nandrasan’ny rehetra. Hiankina amin’ity anio ity, hono, ny hoavin’i Madagasikara sy ireo Malagasy 20 tapitrisa niaina tao anatin’ny krizy nandritra ny roa taona sy roa volana izao
Fivoriana tsy ara-potoana no hatrehan’ireo filoham-panjakana ao amin’ny Sadc any Windhoek renivohitr’i Namibia manomboka amin’ity anio ity. Ny fikarohana vahaolana hivoahana amin’ny krizy mihatra amina firenena afrikanina roa, dia i Zimbabwe sy i Madagasikara no tena hibahanan’ny fandaharam-potoana mandritra ny fivoriana. Raha ny tokony ho izy dia hilaza amin’ny fomba ofisialy ny heviny amin’ny fomba mahomby sy mety indrindra mba hivoahana amin’ny krizy ny Sadc. Ho an’i Madagasikara manokana dia efa nisinisy ihany ireo fehin-kevitra nivoaka tamin’ny karazam-pivoriana izay. Teo ilay sori-dalana narafitry ny Dr Leonardo Simao ary natao rangopohy teny Ivato ny 9 martsa, ary ny fehin-kevitra tany Livingstone ny 31 martsa 2011. Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao fikitihana na fanitsiana na ihany koa fanovana ilay sori-dalana, satria tsy niverina teto amintsika intsony ireo iraka manokana notarihan’ny Dr Simao.
Niha nahazo aina noho izany ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izay efa nitety ny sasantsasany amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Sadc, ka milaza etsy sy eroa fa efa miha mazava ny resaka ary mahalala amin’izay ny zava-nitranga marina teto Madagasikara ny any ivelany fa tsy mihaino feon-dakolosy tokana intsony. Manantena ny FAT sy ny mpanara-dia azy fa hanaiky ilay sori-dalana ny Sadc koa dia hiroso amin’izay ny dia, ho hitan’ny havany eo izay mbola be fanakianana sy tsy mazoto hiditra ao anaty sambo. Etsy ankilan’izany dia miezaka mafy ny mpanohitra na ny eto an-toerana na ny any ivelany mandresy lahatra ny tokony horesen-dahatra rehetra fa tsy hampilamina velively an’i Madagasikara ny fampiharana iny sori-dalana mitanila amin’ny mpanongam-panjakana iny.
Atoa Marc Ravalomanana manokana dia fantatra fa mbola niantso ireo filoham-pirenena ao amin’ny Sadc mba tsy hanaiky ilay sori-dalana satria mety hiteraka ohatra ratsy amin’ny fampiharana ny demokrasia aty Afrika, araka ny fahitany azy sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny Ankolafy 3 izany. Tena mbola sarotra ny mamisavisa ny mety hitranga aorian’ny fivoriana any Windhoek satria tsy nisy mihitsy ny siosion-dresaka mety nahitana taratra ny ho fironan’ny fanapahan-kevitry ny Sadc fa ny nitranga hatramin’izay fotsiny aloha dia samy nilaza ny fahitany ny toe-draharaha tamin’ny Sadc na ny fitondrana tetezamita, na ny Ankolafy 3. Ka dia miandry ny rehetra hoe hipoaka sa hitsefotra ny fanehoan-kevitra havoaky ny Sadc izay tena manana ny fahefana goavana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika ? Izay hevitra hivoaka any Windhoek eo tokoa mantsy no hiampita indray any amin’ireo fikambanana hafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Afrikanina, ny OIF ny COI, ny Vondrona Eoropeanina ary ny Firenena Mikambana, ka handraisana fanapahan-kevitra miaraka amin’izay, dia io ilay antsoina hoe sori-dalana tena izy hivoahana amin’ny krizy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.