Edito

Hiova sa hanohy ny adalana ?


  • Zoma 23 Septambra 2022

Na politika, na sosialy, na toekarena, na fanatanjahantena …eny hatrany amin’ny fivavahana aza dia ahitana korontana sy zavatra ambony ambany avokoa.Tsy iadian-kevitra intsony ny hoe misy krizy sa tsia.

Ny fikaroham-bahaolana no maika fa raha ho tazanim-potsiny na sanatria odian-tsy hita izao dia tena ho zavadoza. Na inona na inona fifandirana sy ady, tsy maintsy resaka ambony latabatra ihany no handaminana azy, ka inona no tsy ifampiresahana dieny izao, sa ve efa miandry fahapotehana goavana mihitsy vao hiresaka ? Nofinofy, raha mbola ety an-tany ny hoe fiainana milamina be tsy misy olana, fa ny fahaiza-mamaha olana ara-potoana no tena fahendrena.Raha izao zavatra iainan’ny firenena izao , efa tena mafy, miteraka sy mitarika tsy fitoniana eo anivon’ny fiarahamonina.Tsy azo ihodivirana ny fifampiresahana, saingy indrisy fa mitsambiki-mikipy hatrany ireo manana ny fahefana.Tsy misy krizy izany hono eto, tsy misy krizy politika.Dia tena mahagaga ; kanefa samy niana tsara teto ihany anefa tamin’ny 2018 nisian’ny fifidianana ; tsy hoe faly hanakiana fotsiny, fa raha ny zava-niainana tato anatin’ny 4 taona izay kosa aloha dia ratsy naoty ny mpitondra fanjakana.Ary io na amin’nyf omba fiasa ato anatiny na amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia sampotsampona avokoa. Ka asa re, mba ho tonga saina amin’izay sa hanohy hatrany ny fomba fisaina sy fomba fiana mamoa-doza.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT