Hintsin-dàlana !

Mitohy ny resaky ny moana sy ny marenina,


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

ny finiavana hikipy eo anatrehan’ny zavatra tsy mety

eto amin’ny firenena, tsy fisainana sy tsy fietreretana afatsy ny seza sy ny tombotsoa, fiheverana ny hafa sy ny maro an’isa ho bado sy azo ambakaina hatrany ary izay tsy azo fitahiana dia rahonana amin’ny hery,… Izany lalàna sy lalàmpanorenana izany moa dia arakaraka ny tombotsoa politika no maha manan-kery na tsia azy. Izay mifanohitra amin’ny tanjona sy ny hevitra na fijery sy loko politika tiana hapetraka, dia mety ho voasokajy ho asa fanakorontanana sy fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena avokoa. Ny herin’ny basy no harantiranty, manao ranolava ny fampitandremana,… fa izay manohintohina ny tanjona eo, dia karazan’ny efa any am-ponja ny ilan-tongotra. Mampametra-panontaniana hatrany hoe : mbola azo sokajiana ho tany Repoblikanina sy demokratika ve ity Madagasikara ity ? Moa arakaraka ny fikirizana hambabo ny fahefam-pitantanana ny firenena ve ny vokatra entiny ho an’ny vahoaka ? Mizotra makany amin’ny tsy fahamarinan-toerana lalina ny firenena na ara-politika na ara-toekarena, na ara-tsosialy,… Tsy misy politika mazava hoenti-miatrika sy mamaha olana, fa zary tezaina amin’ny serasera, fanapena-maso, vonjy tavanandro,… Inona no olana tsy mitranga eto amin’ny firenena fa moa arakaraka izany ny vahaolana aroson’ny mpitondra ? Fanaboriboriana resaka sy fanabadoana no betsaka matoa miharatsy hatrany ny tondro rehetra toy ny tahan’ny fahantrana miakatra, tahan’ny kolikoly mitombo, hanohanana mitombo, vidim-piainana midangana, tsy fandriam-pahalemana mirongatra, fanararaotam-pahefana sy afera maloto mirarakompana,… Tsy mampihetsi-bolomaso ny mpitondra anefa izany fa ny zava-dehibe dia ny fanaovana hitsin-dàlana amin’izay fomba rehetra hanaovana hena an-tanan-tsaka ny fahefana, ka na hikorosy fahana tahaka ny inona aza i Madagasikara, na hilentika hatrany aza ny fari-piainan’ny Malagasy,… ny zava-dehibe dia ireo milavo lefona manaiky izay hanaovana azy, tsy hitroatra na efa makany an-kady aza ny fitondrana firenena. Tanterahina ara-bakiteny ilay hoe : fonjabe mitafo lanitra i Madagasikara ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT