Edito

Hilamina marina ve ?


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Ny hisavorovoroan-kilatoana, hoy ny filoham-pirenena nandritra ny kabariny ny sabotsy hariva teo. Asa raha ho marina io fomba fiteny io amin’ity indray mitoraka ity satria mbola misamboaravoara ihany aloha ilay toe-draharaha politika fa tsy nilamina be taorian’ny didy navoakan’ny HCC

. Misy ireo solombavambahoaka tsy manaiky ilay didim-pitsarana na dia resahana aza fa hoe tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Inona no mety ho fihetsik’ireo olom-boafidy ireo ? Misy koa ny vondrona mpanao politika efa nilaza fa na ahoana na ahoana ambaran’ny HCC dia mety kokoa raha aroso ny fifidianana filoham-pirenena, izany hoe tsy tokony hahatody hatramin’ny farany ilay 5 taona izany ny filoha am-perinasa. Mivoaka koa ny resaka ny amin’ny hananganana governemanta vaovao ahitana ny herivelona sy ny hery politika rehetra, resahan’ny mpanao politika koa ny tokony hijoroan’ilay « assemblée constituante » asolo ny antenimieram-pirenena misy amin’izao fotoana. Ary farany dia efa misoko miadana any ambadibadika any ny resaka « dialogue politique » na fihaonambena’ny fikambanana sy antoko politika eto Madagasikara, ka hisy indray izany ny fifanarahana politika vaovao hosoniavina aorian’io. Amin’ity herinandro ity, maromaro ny fitokonana hitranga ka andrasana izay paikady handaminan’ny fitondram-panjakana izany rehetra izany ka hahafahan’ny rehetra mitsara avy eo hoe : mahavita ve sa tsy mahavita azy ity fitondran’ny HVM ity e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT