Edito

Hilamina ihany ve ?


  • Zoma 20 Janoary 2012

24 ora sisa no andrasan'ireo mpanohana azy dia afaka hifankahita tava amin'i Marc Ravalomanana izy ireo.

 Ao anatin'ny fiomanana farany amin'ny fikarakarana ny fitsenana an'i Dada ireo zanany, mifampitaona ny fianakaviana, mpiara-miasa, mpiray tanàna fa tonga ilay daty nandrasana efa ho telo taona izao. Tsy ho latsa-danja ny tamin'ny 19 febroary 2011 ny amin'ity indray mitoraka ity, ary ho matotra kokoa ny fandaminana, araka ny angom-baovao natao. Tsy tokony hisy intsony ny fiovana amin'ny ora farany, satria Atoa Ravalomanana, izy tenany mihitsy no efa nanambara fa ho avy, ary efa nivonona amin'ny tranga rehetra. Azo antoka fa ho avy hanao rodobe eny Ivato sy ny manodidina ireo mpanohana ity filoha teo aloha ity, eny fa na dia ny olon-tsotra isan-karazany, tsy voatery hoe mpitolona tao amin'ny Magro aza dia hanatevin-daharana ny vahoaka hitsena an'i Dada eny Ivato. Azo antoka fa hanao be midina eny koa ireo mpitandro ny filaminana.

Tsy maintsy samborina mantsy, hono, ity filoha teo aloha ity noho ny fiampangan'ny fitsarana azy. Ireo milaza azy fa niharam-boina tamin'ny 7 febroary 2009 ihany koa dia efa nilaza fa ho avy hisambotra an'i Marc Ravalomanana eny Ivato, efa nampiseho ny talentany ihany moa izy ireo tamin'ny fahatongavan'i Tojo Ravalomanana. Mafana ny adihevitra etsy sy eroa, ny amin'ny hoe : hilamina tsara ihany ve sa tsy maintsy hikorontana rahampitso ? Raha ny tena marina dia miankina amin'ny tsirairay ny mahatony na mampikorontana ny toe-draharaha. Rehefa samy manaja tena sy manaja ny hafa ary tsy mila vanona sy mihantsy ady, dia milamina ny tontolo. Fa raha hifanao vava sy hampidera bokon'ozatra sy basy kosa no masaka ao an-tsaina, dia mazava be ny resaka fa tsy maintsy ho avy ny savorovoro.

Ny mpomba an-dRavalomanana koa mba efa nilaza fa hiaro hatramin'ny farany an'i Dada ka tsy hanaiky lembenana izany. Tena miankina betsaka amin'ireo manampahefana sy mpitandro filaminana ny hampilamina na tsia ity amin'ny sabotsy ity, marina mihitsy fa tany misy lalàna ny eto, saingy tsy tokony hatao fitaovana politika ny lalàna.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT