Edito

Hilalao serasera sa hampandroso firenena ?


  • Alatsinainy 08 Martsa 2021

Valalanina hatramin’izao ny saina amin’ny maha mpanaraka tantaram-pirenena sy vaovao rehefa

 

 

 nahita ny ady hevitra tsy niova eny am-bavan’ireo isam-bahoaka mpaneho hevitra an-tambazotran-tserasera sy haino aman-jery mikasika ny zava-nisy namarana ny herinandro. Tsy inona moa no tena nisongadina fa ny endrika fanehoan-kery teo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra tamin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka tetsy Tanjombato sy tetsy Mahamasina. Ny an’ilay voalohany efa nazava hatry ny ela fa naniry hanome tatitra ireo vahoaka mikasika ny fiodin’ny fitantanan-draharaha eto amin’ity Madagasikara ity. Ny an’ilay faharoa kosa na dia teo aza ny dokam-barotra samihafa maromaro momba iny hoe “fotoam-pivavahana” ho an’ny firenena iny nialoha ny sabotsy teo dia tamin’ny ora farany vao nivoaka ny serasera isan-karazany izay naneho an-kolaka fa ny fitondram-panjakana mihitsy no nikarakara izany. 2 taona mahery izany izao, raha toa ka niha nitotongana hatrany ny toekarem-pirenena, ny lafiny sosialy, ny kolontsaina, sy saika ny sehatra rehetra ary mahatonga antsika ankehitriny ho isan’ireo firenena isany farany mahantra eto ambonin’ny tany dia ny tena tsapa ho hany fanafody hitan’ny fitondram-panjakana hitsaboana azy aloha hatreto dia ny filalaovana serasera hatrany. Hita ho nolalaovina namoriam-bahoaka ny serasera fony mbola nisy ilay hoe 100 andro teo amin’io kianjan’i Mahamasina io ihany. Ny eny amin’ireo haino aman-jery samihafa moa manginy fotsiny. Tsy lazaina intsony koa ireo fihetsiketsehana nitetezam-paritra maro, indrindra, nandritr’ireny fipariahan’ny valan’aretina niandoha tamin’ny herintaona ireny. Naseho indray fa vontom-bavaka ny filoham-pirenena ny sabotsy teo tao Mahamasina na dia tsy sahy niniana tamin’ny baiboly aza fony nandray fitondrana. Manoloana izany rehetra izany dia mbola mampikaikaika hatrany aloha ny vidim-piainana. Mitombo ny tsy an’asa. Miha tsy tomombana ny fiainan’ireo mandranto fianarana sy asa amin’ireo sekoly, oniversite, orinasam-panjakana ary efa asehon’izy ireo amin’ny alalan’ny fitokonana izany. Hilalao serasera sa hampandroso firenena no tena tanjontsika ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT