Tena mahatalanjona ny maro ny diplaomasia ampiasain’ny fitondrana FAT amin’izao fotoana. Nanambara foana ny filohan’ny FAT sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ary ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny FAT fa tsy voatery hiandry ny fankatoavan’ny avy any ivelany vao hanohy ny asany ny fitondrana tetezamita. Ary i Andry Rajoelina moa dia nilaza fa tsy handeha hivoaka any ivelany intsony hivory sy handinika ny hamahana ny krizy. Ny zavatra tsikaritry ny mpanara-baovao anefa dia toa ny mifanohitra amin’izay no mitranga satria, miasa mangina ary mitselika any ambadimbadika any ny FAT. Mivoaka an’i Madagasikara tsy an-kiteniteny ny minisitry ny raharahambahiny ny vice amiral Hippolyte Ramaroson, ary nanatitra antontan-taratasy mirakitra ny paikadin’ny FAT mba hamahana ny krizy. Tany Addis Abeba sy New York izy vao tsy ela akory izay. Ary raha tonga teto tamin’ny volana jolay i Joaquim Chissano, izay anisan’ny vahiny ankahalain’ny FAT indrindra, angamba, dia mbola i Hippolyte Ramaroson ihany, no anisan’ny voalohany nila resaka taminy tao amin’ny Carlton.
Nahazo fanakianana mavaivay avy amin’ireo mpomba ny FAT ny mety hametrahan’ny SADC ny masoivohony eto Antananarivo mba hahafany manara-maso ny ministera ny fivoaran’ny toe-draharaha amin’ny famahana ny krizy, kanefa dia tsy nanda izany ny fitondrana tetezamita. Ary ny ministeran’ny raharaham-bahiny aza dia namoaka fanambarana ofisialy mihitsy, fa tsaho ilay hoe mety hosoloina teratany Maorisianina i Joaquim Chissano, fa dia ity farany ihany no hitarika ny vondron’ny mpanelanelana amin’ny famahana ny krizy Malagasy. Hita fa tena mifanohitra amin’ny zavatra ambaran’izy ireo no ataon’ireo mpikambana ao amin’ny FAT, ary ny fahitana azy dia misy ihany ny tsy fitovian’ny fomba fijery eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny tetezamita. Tsy mahagaga, hoy ny mpandinika raha mitarazoka ny famahana ny krizy ary tsy mety mahazo ny fankatoavan’ny avy any ivelany ny mpitondra amin’izao fotoana, satria izy samy izy aza tsy mahay mifanaraka.
Ary raha ny tsiliantsofina re avy any ivelany dia efa ataon’ny vazaha fihomehazana sy fanalan’andro ity diplaomasian’ny FAT mandroso mihemotra, sy be vava kanefa mila ranondranony ihany rehefa avy eo. Azo adika koa anefa izany tranga rehetra izany, fa vavabe sy kabary politika fotsiny ilay atao etsy sy eroa, fa ny tena marina dia mila ny fanampiana avy any ivelany ny FAT, ary mitady ny fomba rehetra mety hahazoany izany, saingy amin’izy ireo dia safidy farany ny fiaraha-mitantana amin’ny ankolafy hafa, kanefa io no lalan-tokana sy safidy voalohany ho an’ny sehatra iraisam-pirenena raha te hahazo fanohanana sy fanampiana haingana i Madagasikara. Tsy dia ilay “reconnaissance” loatra no zava-dehibe, fa ny zavatra hitranga aoriany, tahaka ny hoe fiverenan’ny famatsiam-bola, sy fanampiana antsika amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.